Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony Mpanjakan’ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko) Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
fa tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko.... Marina izany e! Manja ny an'ny hafa, fa ny antsika kosa tsy miova fa tokana loko toy Ny Voninavoko.
Ny OLONA no mandao tsy safidy izany fa tonga ny antso dia tsy maintsy, nefa ny KANTO navelany dia mampahatsiahy fa nisy olo manga nandalo teny ho eny, manantena anefa mbola ho eo LILI hamelomaso ny KALO NY FAHINY hatrany
Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha
Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha
Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa
Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony
Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony
Mpanjakan’ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko)
Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra
Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra
Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana
Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
Kanto loatra❤
mampanembona loatra izy izany!!
Tsara! Tena kanto!
Dada gaby tsara misaotra e
velona mandrakizay DADAGABY
2024 ndrii❤😢
Mankasitraka nizara. :-)
Gasy ka tsara🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Tena mafinaritra ery e♥️
Fanontanina kely ô :
Inona n'y atao hoe Voninavoko?.
Misaotra Amin ' izay mamaly, makasitraka ❤️
Voninkazo ny voninavoko.
@@mbintsl.6810 vonin'ny avoko vonikazo mavpkely maniry anaty bozaka
Kanto dia kanto
Mahafinaritra 😘🎤
Tiako lotra❤️❤️❤️
Ankafiziko 💖 loatra
fa tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko.... Marina izany e!
Manja ny an'ny hafa, fa ny antsika kosa tsy miova fa tokana loko toy Ny Voninavoko.
Tsara e
Eee ! Mandria ampiadanana dada tiako
Ny OLONA no mandao tsy safidy izany fa tonga ny antso dia tsy maintsy, nefa ny KANTO navelany dia mampahatsiahy fa nisy olo manga nandalo teny ho eny, manantena anefa mbola ho eo LILI hamelomaso ny KALO NY FAHINY hatrany
@@artmxstudio8651 f'angaha i LILI moa zanak'i Dadagaby?
hafa ihany ny gasy e!
Tiako loatra e !!!!!!!
Tiko
marina dia marina izany ten'kira izany arô
💝💝🌹🌹💐❤️😘😘
❤❤❤❤❤