zany ka hira !.... misy vetiny fa tsy ranony fotsiny e!... misy ho raisina betsaka hoan'izay te handray an !....mampisaina sy mampiertreritra ary mampihomehy indraindray koa e !....
Ianareo tovovavy indray 'zao no resahana ka aoka hipetraka Fa raha samy hanambady ihany dia amin’ny mpiravo-damba miresaka Fa raha toa ka mpivaro-kena no manao kôdy fara mikitika Dia aza misy mamaly akory fa ilaozy mandehana mipitsika Efa zatra mitolon’omby ireny sady mpanao ody tandroka Ka raha misy adiady kely dia manaikitra sady mandrangotra Isan’andro dia mihosin-drà sy mihoso-menaka hatrany amin’ny sangany Fanompoana foana isan’andro vaky ny manasa ny akanjo sy lambany Ka tsy lasa ry ianona a! Aoka ihany hijanona a! Mpivaro-damba no reviko Fa raha mpivaro-kena vereziko, Eo ianao re Razôrza Dia atao ny devôrsa a! Fa aleoko mananon-tena Toy izay hanambady mpivaro-kena Efa ela no nampitovy fa ny mpivaro-damba no mendrika Fa raha izay mpivaro-kena, herintaona ny sambo dia rendrika Rehefa afaka herintaona dia tsy maintsy mitranga ny ditrany Any Isotry sy Andravoahangy, Besarety no misy ny sipany Rehefa tonga eny ambony akalana ka misy ny hena miantona Pi-maso tsy misy farany raha misy ny kala manatona Fa raha misy famerim-bola dia lazainy fa adinodinony Amin’izany ny tananao dia samboriny sady fihininy, Raha mpivady no miaraka, dia angamba hisaraka Izy angaha dia mivaky loha, fa hitsikitsikiany ilay ramatoa. Ô ry kala Voahirana a! Raha tsy te ho sahirana a! Aza ireny no hidirana Fa tadiavo izay tany handosirana a! Ny mpivaro-damba ry madimozely Bakoly ô! Ny mpivaro-damba ry madimozely Saholy ô! Madio saina sy madio fo raha olombelona a! Ka tsofiko rano isan’andro izy ireo mba ho ela velona, Ny mpivaro-damba na olon-dehibe na tovolahy e Dia olona tsotra no sady malemy fanahy e! Mirana lava raha sendra mba hitako eny an-tsena Fa tsy mba mizihitra ohatran’ilay mpivaro-kena Andeha ary ange ho jerena Irony vadina mpivaro-kena Raha jerena ny vola ambogadiny Dia ho sambatra angamba ny vadiny Kanefa tsy miala eny an-tanany Na dia alina aza ondanany Io no bala hitifirana No sady vavahady ampidirana Kanefa tsy ianao no mitantana Fa feheziny hatrany amin’ny fatana Raha ireny no hanaovana afera Dia aleoko manao masera Rediredin’ny kely saina ny anareo ry Terezy sy Zanina a! Fa be ny mpivaro-kena fa ireo ny tsy mahay mihinan-kanina a! Raha ny vola no tanisaina dia mibotsina lava ny paosiny Raha ny laokany no lazaina dia miova isan’andro ny saosiny Amin’izao vaninandro izao dia ny mpivaro-kena no rôla a! Fa raha izay mpivaro-damba dia zoera tsy mahafaty baolina a! Ferimiera sy zarifama ka hatramin’ny hôtesy no miakatra a! Dia mirevy mpivaro-kena, satria any mantsy ilay zavatra a! Zao no hafatr’i dadanay Sady tenin'i mamanay Vady ve no tadiavina a! Ka raha mpivaro-kena aza lavina a! Raha toa ka mpivaro-damba Ny fitiavany mody jamba Izaho mantsy dia tokam-po Ka leiroa ihany no ao an-doha Volonondry sy terigala ry kala tsy ampy ivelomana Na mihaingo mamirapiratra aza maty rehefa tsy omana Fa ny bandy mpivaro-damba anie ry kala ka bandy sahirana Paka sy ny krisimasy ireny vao mba mahita mangirana Fa ny bandy mpivaro-kena isan’andro isan’andro dia tobaka Na hôtely na olon-tsotra vao maraina dia indreo mifandrobaka Amin’ny roa ambinifolo atoandro dia efa tapitra lafo ny entana Dia indreny izahay mitsama hikaroka fahafinaretana, Na hatrany amin’ny video, dia mankany amin’ny kazinô Na hatrany amin’ny sinemà, manenjika jazy sy lambadà, Na hatramin’ny fitafinay, dia ovainay atao milay Izy amin’ny “Jean” sy ny bôty, le sipa amin’izany zipo klôty Ny mpivaro-kena ry madimozely Denizy ô! Ny mpivaro-kena ny madimozely Loizy ô! Mahery fo sy mahery mitady rankizy a! Fa sambatra ihany ianareo manana azy Ralizy a! Mpivaro-kena sy mpivaro-damba tsy sahala Ny iray voky hena ny iray voky ovy ry malala a! Asanareo izay mifidy ka maka mitsora Mpanankarena ho vady ny anay ka mivola Ny mpivaro-damba matetika Olona ratsy fitetika Zatra mandrefy rahavahana Dia refesiny koa ny fitiavana, Na tsara na ratsy ny vadiny Tsy omeny fitia ambongadiny Zatra manao an-tsijarany Ny fitia aza voazararazarany Zatra manao didy vilana Dia manao fitia mitongilana Izay manambady an’ireny Herintaona dia efa raneny -------
Ny tonony dia manambara fa na dia TSARA aza dia azo HARATSIANA. Ny RATSY 100% azo HATSARAINA 100%!!! Io no miteraka FIFANDIRANA : ny zavatra rehetra misy LAFITSARANY sy LAFIRATSINY.
Atsiarovana ny fahazazana , alahady ariva avoakan dadabe ny K7 (Valabetokana FARATSIHO)
MANKASITRAKA E !!!MBOLA HAFA NY HANITRY NY TANINDRAZANA ! ELA VELONA i GASIKARA !!!!!!!!
2023 mbola mihaino ihany ❤️
Mankasitra 🙏🇲🇬
Mitovy isika ❤❤❤❤
Atraty io🎉
2024❤❤❤
ankafiziko hatrany, tsy mankaleo ana
Nandresy lahatra ahy kokoa ilay vadina Mpivaro kena, marina kosa ilay hoe paka sy krismasy ny Mpivaro-damba vao mahita mangirana hi!hi!hi!hi!
Kkkk fa maditra 😂
Ahatsiarovako any Dadako isakiny alahady mihaino Hira gasy❤❤❤
😄👍👍👍Mahafinaritra bé!!!
Bravo ! , avy any Mandiavato izahay ê ! .
🎉❤tsara sady ts mankaleo hatr@ zao ee🎉🎉
Ahatsarovako an i neny isakin n alahady av mvavaka dia miheno hira gasy ny tolakandro, bisous be neny 🌹
Ahatsiarovako an'Isandrandahy 😍 misaotra mizara
Aza miala aminy le mpivarotra hena ❤😂
Tena Milay lotra lesy annnn 🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰
....tandremo ny manao maso roa ry kala...ny vady dia tsy hanolon-droa tsara le hafatra :)
Gasy ka tsara🇲🇬❤️
afa ihana le kolotsaina malagasy e, tena tiko sady mamiko,
Georges aiza nao 😅😅😂
zany ka hira !.... misy vetiny fa tsy ranony fotsiny e!... misy ho raisina betsaka hoan'izay te handray an !....mampisaina sy mampiertreritra ary mampihomehy indraindray koa e
!....
tsara ery ! Mampatsiaro ny fahazazana
Gasy ka tsr ❣️, sad mananatra bravoooo🙏💋
❤❤❤ uo ra goerge
❤❤😂😂😂🎉🎉😊,izany ny feeling Malagasy❤❤🎉😊😂😅😊😊❤❤
Fa rehfa aty andafy owah lasa mankafy sy mikaroka hira gasy mihintsy ny tena
mbola misy 16 tsy tia ihany le!
tsara be afa ihany ny hira gasy eee!!!🔝💯👏👏👏👏👏
i know it is kinda randomly asking but does anyone know of a good place to watch new movies online?
@Ben Jay I would suggest flixzone. Just google for it =)
@Emmitt Sutton Yup, I have been watching on FlixZone for since april myself :D
@Emmitt Sutton Thank you, signed up and it seems to work :D Appreciate it !
@Ben Jay Happy to help xD
milay le vazo, tena voan'ito na ireo rap gasy aza...sady tsy lany manja
milay e!!!gasy hafa iany!!tsara laotra
Be bob e❤❤❤😂😂😂
Tsara loatra. Nankafy sy nihomehy aho. Indrindra teo amin'ilay hoe erin-taona dia efa raNeny (sarin-draneny).. heheh
tsara aloha ny hira fa afa ihany raveloson ao arivonimamo e!
Ao tsara zany son zany....
Tsara mintsy dady mampome
mankasitraka e!! merci !!!
kkkkkk latsak b za le, mlay Ka, samy manan n kileman av n n pivarodamb n pivarokena
zany ny gasyrefa mi clash mankasitraka eee
Za alou aleoko izy sady mpivaro-kena sady mpivaro-damba e!!!! dia manana building 100 sy fiara!!! kkkkkkkkkkkkkkk
tsara ilay hira
Mbo Marina mo hiiiiiiii
hafa iany zany oe hira gasy an!!!!
tsara sady hafa ihany ny Gasy
soa be mihintsy eeeeeeeee tongava aty fianarantsoa fa miandry angnay
Mercie mon pays ❤
tsara ny hira gasy
mbola mazaka tsara ny Rapy mitsy izy zany an!
gasy ka manja e!
hafa ihany ny vakodrazana e!
tena hafa iany ny antsika e! aza avela ho very fa sad mahasoa no mafinaritr:)
Mankasitraka e
hafa ihany ny tena hira gasy e!
Tiko be ,
misaotra e!
Iny ndray tsy itako kkkkk tiko be
tsar eh,,,,milay be ery le mien n'azy hahhaha
Ianareo tovovavy indray 'zao no resahana ka aoka hipetraka
Fa raha samy hanambady ihany dia amin’ny mpiravo-damba miresaka
Fa raha toa ka mpivaro-kena no manao kôdy fara mikitika
Dia aza misy mamaly akory fa ilaozy mandehana mipitsika
Efa zatra mitolon’omby ireny sady mpanao ody tandroka
Ka raha misy adiady kely dia manaikitra sady mandrangotra
Isan’andro dia mihosin-drà sy mihoso-menaka hatrany amin’ny sangany
Fanompoana foana isan’andro vaky ny manasa ny akanjo sy lambany
Ka tsy lasa ry ianona a!
Aoka ihany hijanona a!
Mpivaro-damba no reviko
Fa raha mpivaro-kena vereziko,
Eo ianao re Razôrza
Dia atao ny devôrsa a!
Fa aleoko mananon-tena
Toy izay hanambady mpivaro-kena
Efa ela no nampitovy fa ny mpivaro-damba no mendrika
Fa raha izay mpivaro-kena, herintaona ny sambo dia rendrika
Rehefa afaka herintaona dia tsy maintsy mitranga ny ditrany
Any Isotry sy Andravoahangy, Besarety no misy ny sipany
Rehefa tonga eny ambony akalana ka misy ny hena miantona
Pi-maso tsy misy farany raha misy ny kala manatona
Fa raha misy famerim-bola dia lazainy fa adinodinony
Amin’izany ny tananao dia samboriny sady fihininy,
Raha mpivady no miaraka, dia angamba hisaraka
Izy angaha dia mivaky loha, fa hitsikitsikiany ilay ramatoa.
Ô ry kala Voahirana a!
Raha tsy te ho sahirana a!
Aza ireny no hidirana
Fa tadiavo izay tany handosirana a!
Ny mpivaro-damba ry madimozely Bakoly ô!
Ny mpivaro-damba ry madimozely Saholy ô!
Madio saina sy madio fo raha olombelona a!
Ka tsofiko rano isan’andro izy ireo mba ho ela velona,
Ny mpivaro-damba na olon-dehibe na tovolahy e
Dia olona tsotra no sady malemy fanahy e!
Mirana lava raha sendra mba hitako eny an-tsena
Fa tsy mba mizihitra ohatran’ilay mpivaro-kena
Andeha ary ange ho jerena
Irony vadina mpivaro-kena
Raha jerena ny vola ambogadiny
Dia ho sambatra angamba ny vadiny
Kanefa tsy miala eny an-tanany
Na dia alina aza ondanany
Io no bala hitifirana
No sady vavahady ampidirana
Kanefa tsy ianao no mitantana
Fa feheziny hatrany amin’ny fatana
Raha ireny no hanaovana afera
Dia aleoko manao masera
Rediredin’ny kely saina ny anareo ry Terezy sy Zanina a!
Fa be ny mpivaro-kena fa ireo ny tsy mahay mihinan-kanina a!
Raha ny vola no tanisaina dia mibotsina lava ny paosiny
Raha ny laokany no lazaina dia miova isan’andro ny saosiny
Amin’izao vaninandro izao dia ny mpivaro-kena no rôla a!
Fa raha izay mpivaro-damba dia zoera tsy mahafaty baolina a!
Ferimiera sy zarifama ka hatramin’ny hôtesy no miakatra a!
Dia mirevy mpivaro-kena, satria any mantsy ilay zavatra a!
Zao no hafatr’i dadanay
Sady tenin'i mamanay
Vady ve no tadiavina a!
Ka raha mpivaro-kena aza lavina a!
Raha toa ka mpivaro-damba
Ny fitiavany mody jamba
Izaho mantsy dia tokam-po
Ka leiroa ihany no ao an-doha
Volonondry sy terigala ry kala tsy ampy ivelomana
Na mihaingo mamirapiratra aza maty rehefa tsy omana
Fa ny bandy mpivaro-damba anie ry kala ka bandy sahirana
Paka sy ny krisimasy ireny vao mba mahita mangirana
Fa ny bandy mpivaro-kena isan’andro isan’andro dia tobaka
Na hôtely na olon-tsotra vao maraina dia indreo mifandrobaka
Amin’ny roa ambinifolo atoandro dia efa tapitra lafo ny entana
Dia indreny izahay mitsama hikaroka fahafinaretana,
Na hatrany amin’ny video, dia mankany amin’ny kazinô
Na hatrany amin’ny sinemà, manenjika jazy sy lambadà,
Na hatramin’ny fitafinay, dia ovainay atao milay
Izy amin’ny “Jean” sy ny bôty, le sipa amin’izany zipo klôty
Ny mpivaro-kena ry madimozely Denizy ô!
Ny mpivaro-kena ny madimozely Loizy ô!
Mahery fo sy mahery mitady rankizy a!
Fa sambatra ihany ianareo manana azy Ralizy a!
Mpivaro-kena sy mpivaro-damba tsy sahala
Ny iray voky hena ny iray voky ovy ry malala a!
Asanareo izay mifidy ka maka mitsora
Mpanankarena ho vady ny anay ka mivola
Ny mpivaro-damba matetika
Olona ratsy fitetika
Zatra mandrefy rahavahana
Dia refesiny koa ny fitiavana,
Na tsara na ratsy ny vadiny
Tsy omeny fitia ambongadiny
Zatra manao an-tsijarany
Ny fitia aza voazararazarany
Zatra manao didy vilana
Dia manao fitia mitongilana
Izay manambady an’ireny
Herintaona dia efa raneny
-------
hafa ihany gasikar eeh!!!
Mba mitady karaoké anty hira ty za fa tsy mety mahita 😅
mlay ehhhhhhhh!!!
makafy atrany hira malagasy e
Trop trop B, MILAY ... hahahahahahaha
tsara fa lava beuh lotra e
Mpivarokena aza ialana
Ando à
Andao hamorina tarika sika aty la rochelle aty e
Zaho hikabary s'y hively ampongabe
bonina foana ôa
Tsara be, fa manina ts mb misy hiragasy vao2 mintsy ato amn you tube e!
Misaotra nao fa tsara be daholo
suuuuuuuuuuuuuur!!!! xD j'aime!
coucou dry 🤣 tadidy v le match Ankoay ?
sady mampiomehy no mampisaina ilay tonon kira
mlay e
ahahahahaha erin taona defa raneny
2024❤
tsara e!
🇲🇬🇲🇬🇲🇬
❤
tsara rangahy a
2023 mbola miheno foana ❤❤
Une partie de mes racines...
mankasitraky indrindra Tompoko
❤️❤️
🤣❤❤❤🥰
😂😂😂😂
rATsY wOaH e! 😂
le hira tsara fa ndry no ratsy
TeNa RaTsY bE
marary saina ianao, tsy mahay miteny afa tsy ny miteny ratsy
@@MrMapiso ts ainy zan, le mampietsika vody ian ngamb no ainy
Ny tonony dia manambara fa na dia TSARA aza dia azo HARATSIANA. Ny RATSY 100% azo HATSARAINA 100%!!! Io no miteraka FIFANDIRANA : ny zavatra rehetra misy LAFITSARANY sy LAFIRATSINY.
Meva e
😛😛😛 eeee
2024
Tiko
Vous les 16 dislike là, vous êtes comment même??
rAtSy
jerevo ny fantsy de oitanao, fa matou enao tsti de vo enao zay hi2
Andrianirina Ramelson Tsg fantako izay tianao ho lazaina 😀
rATsY e
Mankasitraka e
Tiko