Hianatra sa Hanambady (Ramilison Besigara)

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 8 сен 2024
  • HIANATRA SA HANAMBADY (Ramilison Besigara)
    Zava miseho o
    No lazaina anareo o
    Fa ny ankehitriny
    Tsy mba toy ny fahiny
    Ny fiainana lafo o
    Sady tsy vitan'ny safosafo
    Tena hilaina
    Ny tanora misaina
    Tanora hendry
    Tsara fikendry
    Mandinika tsara
    Vao mitady ny anjara
    Dia efa fantaro o
    Fa tsy azo hafangaro o
    Diplôma sy vady
    Tsy atao indray mitady
    Fa manimba ny loha iee
    Ary koa mahavotsidroa
    Tsy vonjivonjena toy ny tsinainkena
    Tony fanambadiana
    O ry havana tiana e
    Ny anjara tandrify dia tsy mba midify
    ******
    Loza fa tena misy mihitsy
    Tsy maro fa andian'olona vitsy
    Dondrona tena tokony ahitsy satria
    Tsy mba menatra havana fa milalao fitiavana
    Fianarana tsy ampidirina and-doha
    Vady no ao an-tsaina mialoha
    Tenenina dia lanjaina ny loha
    Ka jereo, tongotra no hajadona
    Mampiseo avonavona
    Nahoana raha vita aloha ny fianarana
    Zay vao mitady izay hilaharana
    Dia mihodina ho azy toy ny kodiarana
    Am zay tsara asa hivelomana
    4 X 3 dia 12
    Tsy ariako ny ahy ny blouzy
    Isan'andro aho dia lasa foana
    Mba hanangona diploma
    Azo ny baccalaureat
    Iza indray no tsy te ho ahy
    Na tsy manana na ny ngetroka
    Za ndray aza no mibetroka
    Satria ramose tsy manampahaizana
    Madame kely anefa manaizana
    Nentina ery avaratetezana satria
    Rehefa tsisy ny hoanina
    Tsisy saina milamina
    Hamangy rafozana ry dede
    Efa misasaka ny zuillet 😬
    Zay vao hanatitra ny bonne année a
    Satria tena olona dondrona
    Tsy mahita an'ambondrona
    Ny vady ao antrano koa hatahorana
    Hivandravandrana kely dia torana
    Raha no azo ambady angamba fatorana
    Fa sao voan'ny surmenazy
    Ka izao ihany no izy, hampianaro tsara ny ankizy
    Raha izao no manta tsarovy
    Mora masaka ohatrin'ny ovy
    Fa ny doukta jereo
    Ngeza ihany fa faripeo
    Rainy nefa tsy mahay mitarika
    Izy indray no matin'ny barika
    Aiza moa ianareo no ho tafita
    Vao folo taona dia mitarika sipa
    *****
    Tandremo ny vavanao ry sakaiza
    Tsy ho entin'ny taratasy mankaiza
    Mahay indrindra izao no ratsy taiza satria
    Ny mahay no mamitsaka, fa ny vady mifitsaka
    Variana amin'ny taratasy sy penina
    Antitra vao miteraka 6
    Tsy afaka intsony fefa badenina
    Oadray, antimôla no anarany
    Maty ho azy ny farany
    Jereo nge ry vero mbandry Salohy
    Manja ohatran'ny saribakoly
    Aleoko izy tahak'izay ny sekoly, aiii
    Ndao kanjo ry anina
    Zao anie ry madmouzell
    Taratasy tsy mahavelona
    Tsisy ohatran'ny kibo voky
    Sandry ty manome toky
    Be no manana diplôma
    Nefa dia midonanampoana
    May molotra eo ampiandrasana
    Maty fa tsy hitan'ny fasana
    Fianarana mampitondra takaitra
    Variana am la craie sy solaitra
    Sola tsy misy volo vao taitra ka tssss
    Efa tara tsy tara, efa tena soara
    Manantona tovovavy tanora
    Sady voaeso sady voarora
    Za tsy demi-maman ka miesora rangah
    Efa ohatran'ny raiko, mialà fa tsy hilaiko
    Misy ny mpianatra tsy tafita
    BPC dia mbola tsy vita
    Kibo efa enimbolana no hita
    Oadray tsy naleo ve nijanona
    Volandray amandreny dia lany
    Izy amizay tsy ambony tsy ambany
    Tsy azo lazaina madimôzely
    Satria efa mampinono boay kely
    Voafitaka teny am lycée
    Ka lasa madame tsisy ramose
    Reo tovolahy matoa ratsy NAOTY
    Variana manao baby sy beloty
    Aiza ary no hahazo diplôma
    Raha mahazo kely dia mitohaka rôma
    ****
    Hafatra ataoko anao re rahavana o
    Aza atao kilalao ny fitiavana
    Indrindra f'ianareo tanora sy mpianatra ieee
    Tsy tia hanandratsy aho matoa mananatra
    Raha toa ka fahaizana re no ketrehana
    Aza ny vady no erikerehana
    Mitetika université
    Lasa any amin'ny maternité
    Ka mandinia e zalahy e
    ie eee aza manao sainjaza
    Mievera zavavy e
    Ie eee aza manao sainjaza
    Mananatra anao aho ry tovolahy e
    Nareo ndrindra no sahisahy
    Aza manao sainjaza
    Ndrindra ry bako ho alainy vady e
    Tsy azo hanaovana sarin'ady e
    Aza manao sainjaza a
    Ankizy vavy moderna
    Tandremo manao dia miverina a
    Aza manao sainjaza
    Nahita kiraro sy complet
    Dia hanaraka anao aho ry ramose
    Aza manao sainjaza

Комментарии • 4