Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Febroary 2022
HTML-код
- Опубликовано: 21 ноя 2024
- Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Febroary 2022
« Mba hahita hatrany ny vahaolana hiatrehana ny fanamby ankehitriny anie ny vehivavy Relijiozy sy manokan-tena, ka isaorana izy ireo noho ny iraka iantsorohany sy ny herimpo asehony ».
Mandritra izao volana febroary izao dia entanin’ny Papa Ray Masina isika hivavaka manokana ho an’ireo vehivavy Relijiozy sy manokan-tena. Koa amin’izany ny Papa dia maneho fisaorana azy ireo manokana noho ny asa fanirahana iantsorohany sy ny herim-po asehony, mba hahafahan’izy ireo mahita valiny vaovao hatrany manoloana ireo fanamby amin’izao vaninandro ankehitriny izao.
Manantitrantitra àry ny Papa Fransoa ny amin’ny andraikitr’ireo vehivavy mahafoy tena ho amin’ny fiainana voatokana ireo ka manao izao hafatra mafonja izao : « Inona no mety ho toetry ny Eglizy, hoy izy, raha tsy misy ny vehivavy relijiozy sy ny vehivavy lahika manokantena ? Raha tsy misy azy ireo dia tsy azo sainintsainina akory ny Eglizy ».
Ny toetra maha-vehivavy sy maha reny ireo vehivavy relijiozy sy manokantena ireo dia maneho ny ampahany amin’ny fiainana maha Eglizy ny Eglizy.
Koa mifandraika indrindra amin’ny hafatra efa naverimberin’ny Papa Fransoa hatrany amin’ny fitondrany ny Eglizy, naha Papa azy, dia mangataka amin’ireo vehivavy « Relijiozy sy manokan-tena ny tenany mba hampifantoka hatrany ny asa apostolika sahanin’izy ireo amin’ny « fiarovana ireo mahantra sy voailikilika, amin’ireo rehetra izay andevozin’ny mpanao asa maizina ».
Ny vidéo na ny horonan-tsarin’ny Papa amin’ity volana ity dia mitantara, amin’ny alalan’ny sary, ny fahafoizan-tenan’ireo vehivavy relijiozy sy manokantena ireo amin’ny sehatra ikatrohany : eny anivon’ny fiarahamonina, miaraka amin’ireo ankizy an-dalambe, any amin’ireo tanàna tsy ampy sakafo sy fanafody, any anivon’ireo mpifindra monina sy tsy an’asa, miaraka amin’ireo iharan’ny fanondranana olona an-tsokosoko. Tsy lazaina intsony ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanohanana ara-tsaina sy sivily : mampianatra amin’ny oniversite, mandray anjara amin’ny fihaonam-be iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana ary miezaka ny ho mpanelanelana amin’ny krizy politika. Miaiky ny Papa Fransoa fa toa anaovana fitondrana tsy ara-drariny indraindray ny Relijiozy vehivavy, « voakasik’izany, hoy izy ny ao amin’ny Fiangonana ». Mamporiska azy ireo hiady amin’io fomba io ny Papa, ka tsy ho kivy. Miangavy azy ireo izy mba hanohy « haneho ny hakanton’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindrampony amin’ny maha katesista sy teolojiaina ary mpitari-dalana ara-panahy » sy « amin’ny alalan’ny asan’apostoly izay tanterahin’izy ireo ».
Enga anie ireo vehivavy relijiozy sy manokatena hanome hatrany ho an’ ny Eglizy sy izao tontolo izao ny fifaliany sy ny heriny manontolo hantanterahany ny iraka iantsoan’i Kristy azy ireo ka hahita ny vahaolana hiatrehana ny fanamby ankehitriny.