Fangatahana ampanaovin'ny Papa Oktobra 2022: Ho Eglizy misokatra amin’ny rehetra
HTML-код
- Опубликовано: 9 янв 2025
- Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Oktobra 2022
Rohy youtube: • Fangatahana ampanaovin...
« Mba ho sehatra anjakan’ny firaisan-kina sy ny firahalahiana ary ny fandraisana ny hafa anie ny Eglizy izay miaina ny Evanjely sy mitory azy amin-kerim-po; ary mba hiainany bebe kokoa ny fiombonam-po. »
Indro atolotra antsika ny fanazavan’ny Ray Masina ny fangatahana ampanaoviny antsika vita batemy mandritra izao volana oktobra, volana natokana ho an’ny misiona na fampielezana ny finoana izao, no sady volan’ny raozery masina rahateo.
« Inona moa no hevitry ny hoe « manao sinaody » ? Miara-mizotra na hoe miara-mandeha : sy-no-de. Amin’ny teny grika dia midika hoe « mizotra miaraka » ary mizotra amin’ny lalana iray ihany.
Ary izany no andrasan’Andriamanitra amin’ny Eglizin’ny taonarivo fahatelo izao. - dia ny hamerenany ny fahatsiarovany ny maha-vahoaka azy eny an-dalana sy ny tsy maintsy hiarahan-dia.
Ny Eglizy manana io fomba sinodaly io dia Eglizy mihaino, izay mahafantatra fa ny fihainoana dia mihoatra noho ny fandrenesana.
Midika ho fifampihainoana, ao anatin’ny fahasamihafantsika izany, ary fanokafana ny varavarana ho an’ireo izay ivelan’ny Eglizy. Izany akory tsy resaka fanangonana hevitra na fananganana parlemanta. Tsy fanadihadiana na fitsapan-kevitra ny sinaody. Fa izany dia mikasika indrindra ny fihainoana ilay Mpandray anjara : izay tsy iza fa ny Fanahy Masina. Mikasika ny fivavahana. Raha tsy misy vavaka, dia tsy hisy sinaody.
Andeha hohararaotintsika izany fahafahana izany mba ho Eglizy mifanakaiky, araka ny fomban’Andriamanitra : mifanakaiky.
Ary isaorantsika ny vahoakan’Andriamanitra rehetra izay mandeha araka ny lalan’ny sinaody amin’ny alalan’ny fihainoana amim-pitandremana.
Aoka àry isika hivavaka mba ho sehatra anjakan’ny firaisankina sy ny firahalahiana ary ny fandraisana ny hafa anie ny Eglizy izay miaina ny Vaovao Mahafaly sy mitory azy amin-kerimpo, ary mba hiainany bebe kokoa ny fiombonanm-po.