Ho fanafoanana ny fanamelohana ho faty

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 21 ноя 2024
  • Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Oktobra 2022
    « Mba ho foana amin’ny lalàn’ny firenena rehetra maneran-tany anie ny fanamelohana ho faty izay manimba sy manosihosy ny hasina maha olona ».
    Ao amin’ny « Horonan-tsary » fanaony isam-bolana izay entiny anazavana ny fangataham-bavaka ampanaoviny ny Papa Fransoa no manao antso avo, tsy ho an’ny kristianina ihany fa ho an’ny olona tsara sitrapo rehetra, hivavaka ho an’ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty amin’ny lalàn’ny firenena tsy misy ankanavaka manera-tany mandritra ity volana septambra ity.
    Hoy indrindra ny Pape Fransoa raha manazava amintsika io fangatahana io :
    « Isan’andro, dia mihamaro ny olona manerana izao tontolo izao no milaza fa mandà na manao tsia ny fanamelohana ho faty. Mariky ny fanantenana izany ho an’ny Eglizy. Raha ny fomba fijery araka ny lalàna mantsy dia tsy ilaina izany. Afaka manafoana amin’ny fomba mahomby ny heloka bevava ny fiarahamonina, nefa kosa tsy manafaka tanteraka ny olona nanao izany mba hanavotana ny tenany.
    Tsy maintsy misy mandrakariva ny varavarakelin’ny fanantenana isaky ny sazy ara-dalàna.
    Tsy manome rariny an’ireo niharam-boina ny fanamelohana ho faty, ny mifanohitra amin’izany aza fa mamporisika azy hamalifaty.
    Ary izany dia manakana ny mety ho fanarenana azo atao amin’ny fanitsakitsahana ny rariny.
    Ankoatra izany, ny fanamelohana ho faty dia tsy azo ekena ara-moraly, satria manimba ny fanomezana lehibe azontsika : dia ny fiainana izany. Aoka tsy hohadinointsika fa, hatramin’ny fotoana farany, ny olona iray dia afaka mibebaka sy miova .
    Ary, araka ny fanilovan’ny Evanjely, dia tsy azo ekena ny fanamelohana ho faty. Ny didin’Andriamanitra hoe : « Aza mamono olona », dia sady manondro ilay tsy manan-tsiny no mahakasika ihany koa ilay olo-meloka.
    Koa miantso ny olona tsara sitrapo rehetra aho mba hihetsika amin’ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty maneran-tany.
    Koa andeha àry isika hivavaka, mba ho foanana ao anatin’ny lalàn‘ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao ny fanamelohana ho faty, izay manitsakitsaka ny hasina maha olona ».
    Narisoa SJ

Комментарии •