Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Aogositra 2022

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 25 ноя 2024
  • « Ho an'ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany:
    Mba hahita vahaolana hahafahany manohy ny asany ho fanompoana ny mpiarabelona aminy anie ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany izay tena ianjadian’ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy ».
    Manoloana ny krizy, ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy izay iainatsika noho ny valan'aretina sy ny toe-draharaha maneran-tany ankehitriny, dia manentana antsika ny Ray Masina hivavaka « ho an'ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany, izay ianjadian'ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy, mba hahitan'izy ireo ny fitaovana ilaina hanohizana ny asany amin'ny fanompoana ny fiaraha-monina misy azy".
    « Vokatry ny areti-mifindra sy ny ady, dia miatrika fahasahiranana lehibe ara-tsosialy sy ara-toekarena izao tontolo izao », hoy ny Papa nanambara, notsipihiny manokana tamin'izany fa ny mpandraharaha madinika sy salantsalany no anisan'ny tena voa mafy. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'iny taona 2021 lasa iny mantsy, dia orinasa iray amin'ny efatra no very ny an-tsasaky ny vola tokony hiditra ao aminy noho ny areti-mifindra. Ankoatra izany, malemy sy tsy ampy ny fanohanana ny vahoaka amin'ireo toerana tena mila izany : any amin'ny firenena mahantra sy ho an'ny orinasa madinika.
    Amin'io lafiny io, ny Papa dia midera manokana « ny herim-po, ny ezaka ary ny fahafoizan-tenan'ireo mampiasa vola amin'ny fiainana andavan'andeo, izay miteraka fifanampiana sy fahafahana ary asa ». Ny mpandraharaha madinika sy salantsalany dia ireo izay mitantana fivarotana, trano fisakafoanana na trano fandrafetana. Fa eo koa ireo miasa amin'ny fanadiovana na fitaterana, fa indrindra ireo mpanao asa tanana sy ny maro samihafa. Izy ireny no « ireo izay tsy ao anatin'ny lisitr'ireo mpanankarena sy matanjaka indrindra, hoy ny Papa, ary na eo aza ny fahasahiranana, dia mamorona asa sady mandray ny andraikiny ara-tsosialy hatrany ».
    Raha hitodika ny eto amin'ny Nosintsika Madagasikara isika dia anisan'ireo tena voa mafy tokoa ny sehatry ny fandraharahana madinika sy salantsalany. Maro amin'izy ireny aza no tsy afa-niarina intsony, nidiran'ny fatiantoka mihoa-pampana. Nanampy ny olana ara-drafitra efa nisy teto Madagasikara ny valan'aretina sy ny ady any Ukraine ary mampitombo hatrany ny fahosan'ny mponina sy ny sehatry ny fandraharahana. Firenena tena mahantra mantsy i Madagadikara.
    Raha misy ny krizy, ny vala'aretina, ny fiakaran'ny maripana noho ny fiovaovan'ny toetrandro, ny ady, dia misongadina mandrakariva ny fahavoazan'ny tontolon’ny fandraharahana. Ny toekarena amin'ny ankapobeny mihitsy koa no tsy maintsy mitady sy mikaroka lalana vaovao sy fifandanjana vaovao. Amin'io lafiny io, azontsika atao ny manasongadina ny maha zava-dehibe ny mpandraharaha madinika sy salantsalany, ny tanjaky ny famoronana, ny fahaizana manome vahaolana avy any ambany. Raha tsy teo izy ireo dia tsy ho afaka niatrika ny krizy covid isika ary mbola ilaina izany. Izany no maha zava-dehibe ny mivavaka ho azy ireo.
    Narisoa SJ

Комментарии •