Fagatahana ampanaovin’ny Papa - Novambra 2023: Ho an'ny Papa

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 24 ноя 2024
  • Isam-bolana ny Papa Ray Masina dia mangataka antsika hivavaka ho an’ny olombelona rehetra miatrika ny fiainana eo anivon’izao tontolo izao. Tamin’iny volana lasa iny dia nanentana antsika momba ny fihainoana sy ny fifanakalozan-kevitra izy mba handraisantsika ny olona rehetra hatramin’ireo eny an-jorom-bala.
    Miavaka kosa ity volana novambra ity satria dia mangataka antsika ny Papa Fransoà mba hivavaka ho azy amin’ny maha mpiandry ondry solontenan’i Kristy sy dimbin’i Md Piera azy.
    Misy ireo mihevitra fa tsy tokony hangata-bavaka amintsika ny Papa fa izy aza no tokony hivavaka ho antsika. Fantatsika anefa fa isan’andro ny Papa Ray Masina dia miezaka mandray sy mihaino sokajin’olona maro, ankoatra ireo fitsidihana toerana ataony. Ao am-pony mandrakariva ny olombelona rehetra ary atrehiny isan’andro ny ady ho an’ny fanantenana sy ny fiadanana maneran-tany. Fantatsika fa tsy mora izany adidy izany.
    Ambaran’ny Papa Fransoà fa tsy manala ny maha olombelona azy akory ny maha Papa mitondra ny Eglizy. Tsy ny toe-pahotana ihany mantsy no maha olombelona ny olombelona fa ny tolona iatrehana isan’andro ny tontolo feno hakiviana sy very fanantenana vokatry ny fahotana ; dia ny fahotan’ny tena sy ny fahotan’ny hafa izany.
    Mino isika fa ny Fanahy Masina dia tsy mamela ny Eglizy ho kamboty na oviana na oviana. Na izany aza anefa dia anisan’ny maha olombelona ny tahotra sy ny ahiahy, ny tebiteby, ny havizanana, ny adin-tsaina, ny tsy fahasalamana, ny fakam-panahy eo am-piatrehana ny fanambin’ny olombelona sy izao tontolo izao.
    Isaky ny mivavaka ho an’ny Papa isika dia mivavaka ho an’ny Eglizy sy ny asa fanirahana tanterahiny ary mivavaka ho an’ny olombelona rehetra, satria ny vavaka no asam-pamonjena tsara indrindra izay anentanan’ny Papa Ray Masina antsika hivondrona ao amin’ny tambajotram-pivavahan’ny Papa maneran-tany.
    Mangataka antsika ny Papa hivavaka ho azy, toy ny tokony hivavahantsika ho an’ireo Papa rehetra mifandimby mitondra ny Eglizy, mba homen’Andriamanitra ny tsodranony mandrakariva izy hahefa ny adidiny.
    Manana adidy isika zanaka hivavaka sy hirary soa ho an’ny Raiamandrenintsika. Satrintsika aza ary faly izy raha tonga any aminy ny firariantsoa avy amintsika tsirairay avy. Izany dia ho mariky ny fiombonantsika ao amin’ny Eglizy miara-dia.
    « Ny vavaka ataonareo, hoy izy, dia hanome hery ahy sy hanampy ahy handanjalanja sy hitantana ny Eglizy eo am-pihainoana ny Fanahy Masina. »
    « Ny maha olombelona ato anatiko, hoy ny Papa Fransoà, dia mitombo bebe kokoa isan’andro miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra, vahoaka masina sy vahoaka mahatoky »
    Tsapan’ny Papa Ray Masina isan’andro ny maha Mpiandry ondry azy. Ary anaovany ezaka sy ianarany isan’andro ny Lalan’ny Fo sy ny fiainana ny fitiavana, mba ho mpamindra fo bebe kokoa hatrany, hanana faharetana bebe kokoa, ary haka tahaka ny faharetan’Andriamanitra Raintsika.
    Toy ny eveka rehetra, hoy ny Papa Fransoà, dia mahatsiaro mandrakariva fa hotsarain’Andriamanitra sy hoadinina indray andro any amin’ny adidy nankinina taminy.
    Mahatsiaro ho mila ny fanohanana avy amintsika ny Papa ary mangataka antsika mba ho mora fo isika sy hamindra fo aminy indrindra manoloana ny tsy fahalavorariana rehetra.
    Samia àry isika mivavaka ho an’ny Papa Ray Masina amin’ity volana novambra ity mba ho afa-mitantana am-pinoana ny andian’ondry nankinina taminy anie izy eo am-panatanterahana ny iraka sahaniny, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Комментарии •