NIAMPY 20 IREO MPITSIRIKA MASOMBOLY NA « INSPECTEURS ET CONTROLEURS SEMENCIERS » ETO MADAGASIKARA.

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 28 апр 2024
  • Ho fanatsarana ny famokarana masomboly eto Madagasikara dia nisy ny fianianan’ireo mpitsirika masomboly miisa 20 avy any amin’ny Faritra 7 dia Alaotra Mangoro, Analanjirifo, Atsimo Andrefana, Boeny, Diana, Sava ary Vakinankaratra, tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, ny 22 avrily 2024.
    Hetsika fiaraha-miasa teo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny alalan’ny SOC na (Service Officiel de Contrôle des semences et matériel végétal) sy ny Tetikasa PURPA na (Projet d’Urgence pour le Renforcement de la Production Alimentaire à Madagascar) izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana vola.
    Nisy ny fampiofanana maro nifanesy izay narahina fampiharana nomen’ny SOC ka nahafahana namoaka azy 20 mianadahy taorian’ny fanaovana fitsapam-pahaizana azy ireo tamin’io sehatra io.
    Ho fanamarihana izany dia natolotra ny marim-pahaizana sy ny « badge » ary fanamiana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka avy hatrany ny asany, izay notarihin' ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA R Suzelin, ka nanamafy izy fa « zava-dehibe loatra ny fampiasana masomboly voafantina sy nohatsaraina hahafahana manatsara sy mampitombo ny vokatra ».
    Tafiditra ao anatin'ny tanjon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana amin'ny fampitomboana isa ny mpitsirika masomboly eny anivon’ny Faritra izao hetsika izao ho amin'ny fanatsarana sy fampiakarana hatrany ny vokatra masomboly tsara kalitao sy voamarina eto Madagasikara.
    « Madagasikara miroso amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo »

Комментарии •