HAMPIROBOROBOINA SY HAPARIAKA NY VARY SAFIOTRA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 7 июл 2024
  • Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy i Madagasikara dia nisy ny fifanaovan-tsonia ireo taratasy fifanakalozana mahakasika ny vary safiotra teo amin’ny Ministry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa RASATA Rafaravavitafika sy ny Ambasadaoron’ ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Andriamatoa JI Ping, natao ny 08 jolay 2024 tao amin’ny MAE Anosy, ka natrehan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA R. Suzelin.
    Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanitarana ny velaran-tany hambolem-bary eto Madagasikara. Hiasa amin’ny alalan’ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fitondram-panjakana amin’ny fanapariahana ny vary safiotra izay hita fa mifanaraka amin’ny toetr’andro eto Madagasikara. Marihina moa fa ny vary safiotra dia efa voaporofo ara-teknika ary efa nisy ny andrana natao.
    Anisan’ny mpisehatra amin’ny famokarana vary safiotra ny vondrona STOI na ny « Société Trading de l’Océan Indien » ary efa miasa manerana ny Faritra valo eto Madagasikara. Raha ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana dia hita fa ambony ny taham-pamokarana raha eo amin’ny sehatry ny vary safiotra raha ahitana vokatra 8 hatramin’ny 12 taonina izany isaky ny hektara.
    Nanamafy hatrany ny Ambasadaoron’ny Repoblika entim-bahoakan’i chine fa hiara - hiasa amin’i Madagasikara izy ireo amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto an-toerana.
    Ho atao laharam-pahamehana arak’izany ireo Faritra misehatra manokana amin’ny famokarana ny vary.
    #MINAE
    #mae
    #STOI
    #Chine

Комментарии •