Fahombiazan’ny tetikasa PASAN/SAHAZA.

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 23 май 2024
  • 👉 Tontosa ny 23 Mai 2024 tao amin’ny Carlton Anosy ny fivoriana fahadimy sady farany ny tetikasa PASAN/SAHAZA, « Projet d’amélioration de la sécurité alimentaire et de la nutrition » (PASAN) na « Sehatr’asa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy » (SAHAZA) izay niarahana tamin’ny ONN na Foibe Nasionaly ho an’ny Fanjariantsakafo, sy ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale).
    👉 Notanterahina nanomboka ny taona 2019, ary hifarana ny taona 2024 ny tetikasa PASAN/SAHAZA izay nahitana fandrosoana lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara.
    👉 Marihina moa fa nisy ny fomba fiasa maro isan-karazany izay niarahan’ny Governemanta Malagasy tamin'ny alàlan'ny Foibe Nasionaly ny Fanjarian-tsakafo, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Ministeran'ny rano, Fanadiovana sy Fahadiovana, ary ny Governemanta Japoney amin'ny alalan'ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale).
    👉 Nofidiana manokana ny faritra telo teto Madagasikara dia ny Faritra Itasy, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania, na dia hita fa mamokatra aza ireo faritra ireo dia mbola anisan’ny ambony indrindra ny tahany tsy fanjarian-tsakafo mitazaroka.
    🎯Hita fa nahomby ny tetikasa satria tratra ny tanjona ka nidina ny tahany tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka amin’ireo zaza latsakin’ny dimy taona tamin’ireo faritra telo teto Madagasikara izay nisitraka ity tetikasa ity.

Комментарии •