🌳🌳FARITRA AROVANA BEMANEVIKA: Sangany amin'ny fiarovana ny zavaboahary🌳🌳

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 9 ноя 2023
  • 📣📣Sangany amin’ny fiarovana ny zavaboahary i Bemanevika. Nihena ny doro tanety ary tsy nisy intsony ny fanapahana ala tsy ara-dalàna tao anatin’ny telo taona nifanesy noho ny ezaka nataon’ireo mpisehatra ao amin’ny faritra arovana Bemanevika toy ny The Peregrine Fund (TPF), mpitantana ny faritra arovana, ny Vondron’Olona Ifotony (VOI).
    🐦🐦 Vorona no tena mampiavaka ny faritra arovana. Tena mampiavaka azy ihany koa ny nahitana ganagana fotsimaso 30 isa teo amin’ny farihy Matsaborimena, ao Bemanevika . Tany amin’ny farihy Alaotra no nahitana ny Onjy na Fuligule de Madagascar farany. Efa nambara fa lany tamingana ireo vorondrano ireo, 20 taona lasa. Ankoatra ny Onjy dia hita ao amin’ny AP Bemanevika ny vorondolo mena - Tyto soumagei , voromahery (aigle serpentaire) - Eutriorchis astur, gidro misy fito karazana, tanalahy Calumma hafahafa…
    🌳🌱Ankoatra ny biby dia manankarena karazan-kazo, zavamniry sy zavamniry fatao fanafody miisa180 i Bemanevika. Tsy hita afa-tsy ao an-toerana sy eto Madagasikara ny 83 % amin’ireo. Ho fanamafisana ny fiarovana ireo zavaboahary dia nanao famindram-pitantanana tamin’ireo VOI ny TPF. VOI efatra (FITIMA, FIMAKA, AMTI, FIMAM) no miasa ao Bemanevika.
    🔎🔎 Manao fanarahamaso ny atiala in-dray mandeha isam-bolana, manenjika ireo mpandika lalàna no asan’izy ireo. Manentana ny mponina hiaro ny tontolo iainana sy mampahafantatra azy ireo ny tombontsoa amin’ny fiarovana ny atiala ihany koa. Nody ventiny ny rano natsakaina satria resy lahatra ny mponina ary miara-mientana amin’ny VOI amin’ny fiarovana ny atiala.
    🌻🌻Ankehitriny, efa migoaka ny tombontsoa amin’ny fiarovana ny atiala ireo mponina. Lasa betsaka ny rano, afaka mamboly rehefa maintany, afaka mamoka-bary in-droa isan-taona izy ireo.
    www.deliremadagascar.com

Комментарии •