Nahomby ny Tetikasa harena voajanahary sy kijana mamokatra ho an’ny tontolo ambanivohitra

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 19 сен 2024
  • 𝐅𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚𝐡𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚: 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚.
    👉Nanolotra vokatra mivaingana ho an’ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana ny faritra ambanivohitra ny tetikasa "Harena voajanahary sy kijana mamokatra", notanterahina tamin’ireo faritra telo niasany.
    👉Ny tetikasa "Harena voajanahary sy kijana mamokatra" dia niasa teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, miaraka amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ary notohanan’ny Governemanta Britanika sy ny mpiara-miombonantoka MBG (Missouri Botanical Garden) sy ny Kew.
    👌Natomboka ny taona 2021 ary nifarana ny taona 2024. Tanjona napetraka ny fiarovana ny harena voajanahary, ny fitantanana sy fikajiana ny afo, ny fikarohana sy fanomezan-danja ny bozaka Malagasy, teo ihany koa ny fanatsarana ny fiompiana omby ary ny fanatsarana ny farim-piainan’ny mponina any amin’ireo faritra lavitra andriana.Teo ihany koa ny fikarohana sy ny fampandrosoana ny bozaka atao vilona izay tena ilaina amin’ny fiompiana sy ny fiarovana ny ala.
    Tafiditra indrindra ao anatin'ny fampivoarana ny famokarana ny zava-bitan'ny Tetikasa.
    Ministère de l'Agriculture et de l'Elevage

Комментарии •