Mofonaina Alakamisy 02 Janoary 2025

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 21 янв 2025
  • #Mofonaina anio Alakamisy 02 Janoary 2025
    #Sal 145, 1 - 7 « LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA »
    Hira : Mifalia ry sakaiza, fa nahazo taom-baovao
    FJKM.Fitandremana.Ankadimbahoaka
    Lehibe ny fiandrianan'Andriamanitra
    1) Izy no Mpanjaka :
    Mametraka an' Andriamanitra ho Mpanjakany ny mpanao Salamo. Fantany fa Izy no mpitondra izao rehetra izao; eo an-tanany ny fanapahana sy ny fahefana rehetra; tsy hay tohaina ny heriny; tsy takatry ny saina ny fahendreny. Manolo-tsaina ny mpanompony Izy ka manoro sy mananatra azy mba hizorana amin'ny lalana marina. Andriamanitra Mpanjaka no manapaka eo amin'ny fiainany manontolo, miaro amin'ny fahavalo. Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany mandrakizay Izy, nefa koa dia mahita sy mahafantatra izay manjo ny mpanompony... Izany no Mpanjakan' Israely, ambaran'ny mpanao Salamo eto, dia ilay tsy miova hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Andeha hiombona amin'ny mpanao Salamo isika ka hanao hoe: "Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan' andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria" (and. 1,2).
    2) Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany
    Ny fahitana ny halehiben'ny asan' Andriamanitra sy ny fitondrany ny olona, miampy ny fanazavan-tsaina avy amin'ny Fanahy Masina no ahafahan'ny olona mahalala ny momba an' Andriamanitra. Avy amin'izay asehon' Andriamanitra antsika no ahalalana fa be voninahitra Izy, mahatahotra, mahagaga ny asany, ny fahatsarany sy ny fahamarinany... Voafetra ihany anefa ny fahalalan'ny olona Azy, satria Iehibe mihoatra noho izay heverin'ny olona Izy. "...Tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany" (and.3). Ao amin'i Jesoa Kristy no anehoan' Andriamanitra ny halehiben'ny fitiavany antsika.

Комментарии •