Fanjakana manakaiky vahoaka Faritra Amoron'i Mania

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 18 июл 2024
  • Ny fampiroborobona ny seha-mpamokarana eny ifotony no laharam-pahamean’ny MINAE ary anatin’izany ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, mahakasika ny sehatry ny famokarana dia ny andry lehibe faharoa ,“Ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona” sy ny andry fahatelo izay miompana amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toe-karena”
    Faritra maro manerana an’i Madagasikara no nisitraka tohana avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran' ny Fambolena sy ny Fiompiana izay miara-miasa amin’ ireo tetikasa sy fandaharan’asa eo ambany fiahiany.
    Ao ireo fotodrafitrasa toy ny tohadrano izay napetraka ahafahana manondraka velarantany amin’ny hektara maro, maro ihany koa ireo tolotra fitavaona sy hanampamokarana.
    Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fiofanana izany tohana izany ka tena hita fa nahafapo ireo tantsaha.
    Miatraika mivantana eo amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izany hoy Andriamatoa ben’ny Tanan’ny kaominina Fandriana.
    Mipaka eny ifotony tokoa ireo asa fampandrosoana ka, velom-panantenana arak’izany ireo tantsaha maro noho ny dingana goavana nataony ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana eny ifotony ary miandrandra ny tohin’ireo ezaka efa vita ireo.
    Ho fampiroboroboana maharitra ny seha-pamokarana fa indrindra hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny malagasy izany ezaka atao izany.

Комментарии •