FIVORIANA ENTINA HIJERENA IREO TOMBAN'EZAKA IADIANA AMIN'NY VALALA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 21 окт 2024
  • 👉Mitohy hatrany ny ady atao amin'ny valala.
    Natao ny 03 may 2024 tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriana nanaovana ireo tomban’ezaka entina iadiana amin’ny valala, izay natrehan’Andriamatoa RATOHIARIJAONA R.Suzelin, Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, sy Andriamatoa Mbuli Charles Boliko, mpisolon-tena maharitry ny FAO eto Madagasikara, ao Comores, Maurice ary ao Seychelles, teo ihany koa Dr Idaly, Tale Jeneralin’ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM).
    ✅Atrikasa nahafahana mijery ireo fepetra tokony ho raisina mahakasika ny fiakaran'ny valala ao amin’ny Faritr'Atsimon'ny Nosy no nanaovana ity fivoriana ity. Teo ihany koa ny fanamafisana ireo paikady efa napetraka mba ahafahana manafoana tanteraka ireo andiam-balala sy ny hitondran'ny fanjakana tantsoroka ho an’ireo mpamokatra mba ahafahan’izy ireo mamokatra am-pitoniana.
    Ity ezaka famongorana valala ity dia fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny IFVM, ny FAO ary ny Tetikasa MIONJO izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Hanasan’ny Ministera ireo mpiara-miombon’antoka hafa ihany koa.

Комментарии •