Haody ry Analamangako
HTML-код
- Опубликовано: 31 окт 2016
- Haody ry Analamangako. T. & F. : Jean Ratsaramiafara.
Nalaina tamin'ny "R'imbosa, vahinin'ny Anim'Artistes TVM".
Rodobe: Mimi, Gety, Lidy, Mbosa, Vavah, Geba, Girard. Mpitendry: Mbosa.
Horonan-tsary: TVM.
Ao anatin'ny Tiona BaGasy voalohany ny sol-fa sy ny naoty.
+261 3372 66595 - rimbosa@gmail.com - FB: R'imbosa - www.rimbosa.com - Видеоклипы
Aody ry Anamangako,
Ry Iarivoko ry Merina
Indreto izahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina
Ny lokanga namborahiko,
Ny toloko sy fisaonana
No mbola no mbola
no mbola raisiko angatahako
iarahabana ity fihaonana
Aody ry Anamangako,
Ry Iarivoko ry Merina
Indreto izahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina
Ny lokanga namborahako,
Ny toloko sy fisaonana
No mbola no mbola
no mbola raisiko angatahako
iarahabana ity fihaonana
Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Fa nitady fanavaozana
No niniako nandosirana
Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resi-tosika ny fiainako
Ka nandao anao,
nandao anao tsy fidiny
Aody aody re hidirako,
Ry ankany niantombohana
Raisonao, raisonao raisonao
ny tononkirako mba ho solompanorohana
Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Fa nitady fanavaozana
No niniako nandosirana
Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resi-tosika ny fiainako
Ka nandao anao,
nandao anao tsy fidiny
Aody aody re hidirako,
Ry ankany niantombohana
Raisonao, raisonao raisonao
ny tononkirako mba ho solompanorohana
Hafa ihany ny kalon'ny fahiny ❤mankasitraka ny mpihira 👍
Hiran'Imerina tsy lefy laza ihany koa izany,mankasitra Tompoko O, ry Vohitsara tanindrazako !!! misaotra é
Kanto tanteraka ôôôô ♥️ Mankasitraka 🇲🇬
Ontsa ny fo aty an.tany lavitra mandre ilay hira
Thanks for sharing
Tsara e! Tena tsara👍
2024 🎉
Coucou daholo nareo Zay mbola mankafy
Coucou :)
Tsara e!
TSSSSSARRRRA É, HAFA IHANY, MISAOTRA HATRANY, MISAOTRA FOANA, NY ANGOLA -TSIKA, NY GADONA, NY ANGOLA, TSY HANGINA AHO, TENA MBA HARENAKO,, GAGA AHO MBA LAZAIN'NY HAFA MAHAY MIHIRA FA TAKONA AMIKO IZANY MIHOATRA AMINAREO HAVAKO, NOSANDAIKO LAFO REHEFA MBA MIJERY AHO...
Tiko b fona2 mihaino ity hira ity
Nef isakin"ny mihaino azy za toa feno alahelo b foko reee
Ahatsiarovako.any papako ity hira ity ary tena tiny b mihintsy 😭😭😭😭😭😭😭
Rinay b fona2 enao ry papa na dia nandao ity tany ity aza mandriam piadanana papa malala
Misaotra nareo panankato s pamorona reee mankasitraka Tompoko
😘😘😘❤❤❤❤🙏🙏🙏🙏🙋♀️
❤❤ tsy lavitr' izy ary mifalia isika fa tsy maty izy fa vel9na ato am- po- tsika mandrakariva.
Ny Raiko koa nandao ity tany ity fa nametraka mamy toy ny fitiavana itony vakoka Malagasy itony 👍❤👍❤👍❤
tratra hariva tompoko, sendra alahelo iny tompoko noho ny fahatsiarovana an i dada, olombelona ihany ny tena.
misaotra indrindra anao tompoko
Hafa ihany kalon'ny fahiny. Feno fitiavana s'y fanorohana 😘
Ry Iarivoko, ry Imerina... ❤️
« Raisonao ny tononkirako mba ho solom-panorohana ». Zany mihitsy. Hirahira sisa.
Mahangoly Fanahy!
Tsara fa makasitraka e❤
Tena kanto dia kanto anie izany hiranao izany ry Taniko e!!
Ry Iarivoko ry Imerina 💖💕💖💞💖
namborahako
tena tsara, tena tsara
Izany ka Malagasy.
Misaotra eram-po, eran-tsaina ! Manan-talenta mihitsy ianareo, Kanto dia kanto
kanto dia kanto loatra 💞💞💞💞💞
mbola hafa ny ba gasy e!
hafa ihany ny kanto Malagasy. tena mifona hafatra fa tsy rediredy toy ny ankamaroan'ny hira amin'izao fotoana izao
Hafa iany ny hira taloha an !!
Izany no tena hira. Mankasitraka tompo ko.
Tsara!
Izany ka hira👍
🙏
Mifona re miala satroka fa tena kanto tokoa ny vazonareo ka tena isaorako eram-po eran-tsaina. Mankasitraka tompoko o..
Reharehan'ny Malagasy tokoa ny fisianareo.Vakoka malagasy zato isanjato.
Endrey zany hira
Tsara n'y kalo fahiny
Mankasitraka eh
Kanto e, indrindra hoavy ny fetin' Ineny Alahady zao
Ndriiiii
Mankasitraka tompoko
❤️❤️❤️
Tsara ny tononkira,sarotra hadinoina IARIVO,tsy maintsy mifandao noho ny asa aman'andrakitra;kanefa manantena ny fiverenana ny tanàna nahabe izany
Cc tena marina re ny teninao
Eee hafa ihany ny tany nahalehibe ee
endrey mahafinaritre
❤❤
tsara loatra, misaotra eh!
Mankasitraka e
Kanto loatra !!!!
Tena tsara Misaotra e
Mankasitraka anareo ry Tarik'Analamanga misaotra betsaka tompoko
感動Jiàn o
感動Jiàn y
Tsara be tompoko
misaotra tompoko
tsara
Ry Analamangako , ry Iarivoko , ry Imerina 🇲🇬❤
MAhamanin-te hody aty an-tany lavitra aty e! Manga feo