08 Ambohikobaka - Dama Mahaleo

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 17 сен 2024
  • Artistes: Dama
    Album: Mélodies de Madagascar
    Genre: Folk, World & Country
    Sortie: 1994
    song list:
    1. Fiainan' Antananarivo
    2. Mimoza
    3. Taxi Brosy
    4. Nahoana Kay
    5. Omaly Tolakandro
    6. Aza Manadino Anay
    7. Farakely
    8. Ambohikobaka
    9. Nosy Milalao
    10. Voasary
    11. Dihy
    Mivalana ary koa ny gitara
    Toy izany koa ny feo
    Ka aoka isika samy hihaino tsara
    Fa izy ity tsy angano na tantara
    Fa mikasika ny fiainantsika eto Madagasikara
    Misy eritreritra miainga
    Miainga avy eny Ambohikobaka
    Avy hatrany dia manao savoan-danitra
    Mandinika avy eny ambony eny
    Io ilay eritreritra, ambonin’ ny latabatra
    Mahay mandresy lahatra
    amin’ ny kobaka am-bava
    Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka
    Raha tazanina avy eny Ambohikobaka
    Toa lavitra be ny eny Ambohikobaka
    Raha tazanina avy eny Ambalambahoaka
    Tsy mahatazan-davitra ny any Ambalabamhoaka
    Tsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merika
    Tsy tazana mihintsy ny any Ambalabahoaka
    Fa varimbariana ny lavitra ny eny Ambohikobaka
    Ny eny Ambohikobaka variana
    Mivarotra rorono an-tavy
    Ny any Ambalambahoaka sahirana
    Mitady ny hanina hohanina anio
    Manaraka tsara ve ? manaraka tsara ve ianareo
    Raha manaraka tsara ianareo
    Dia ho tohozantsika ny tantara.
    Misy eritreritra miaingna
    Miainga vay any Andohasaha
    Avy hatrany dia misandrahaka
    Henika azy ny any Ambanivohitra any
    Io ilay eritreritra
    Eritreritra tsantsaha
    Maniry amin’ ny tany
    Mahazo fakany avy hatrany
    Toamangina be ny avy eny Andohasaha
    Raha henoina avy eny Ambohikobaka
    Aza ny lohasaha mangina no jerena
    Fa Ambohikobaka an-tampon’ ny loha
    Tsy heno mihintsy ny avy eny Andohasa
    Avo feo loatra ny avy eny Ambohikobaka
    Nankaiza tokoa ary ny feon’ ny tantsaha
    No ireo mpisolo vava no mbola tompon’ ny laka
    Ny eny Ambohikobaka mifaninana
    Mamadika bainga hivelomana
    Manaraka tsara ve hianreo ? (bis)
    Raha manaraka tsara hianareo
    Dia ho tohizantsika ny tantara.
    Ilay nosy izay mamintsika
    Tsy manan-tsahala izy ity
    Iaraha-mahita
    Ilay nosy fonenantsika
    Mbola maro olana izy ity
    Tsy voavahantsika
    Ireo izay nitondra hatramin’ izay
    Dia nihevitra fa azy ireo irery ny tany
    Mahay politika mampandry adrisa
    Ilaina, hono, ny hafetsena raha hitondra firenena
    I Madagasikara anefa (bis)
    Tsy an-dry zalahy irery
    Antsika ihany koa
    Ka raiso ny andraikitra
    Any Andrenivohitra no misy fahaizana
    Izay tompôn’ ny fahaizana, hono,
    No mifehy ny tany
    Any Andrenivohitra no misy ny vola
    Izay tompon’ ny volan honon
    No mitondra ny tany
    Any Andohasaha, ny fanahy no maha olona
    Izay manam-panahy, dia ny miasa ny tany
    Mamokatra vary ho antsika Malagasy
    Soa fa mbola misy fahendrena eto amin’ ny firenena
    Zovy amintsika anefa (bis)
    No mahalala an-dRamalagasy
    No mahay ny fahendrena Malagasy
    No mahay mihaino ny avy any Andohasaha ?

Комментарии • 1

  • @herizoandriani6749
    @herizoandriani6749 3 года назад

    Tena mba lalintsaina mihitsy i Le Dama ity ka ! 😅