FIARAHA-MIENTANA HO AMIN'NY FIKOJAKOJANA NY LAKANDRANO SY NY FAMBOLEM-BARY , FARITRA AMORON'I MANIA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 17 май 2024
  • FANOKAFANA NY HERINANDRON'NY FIARAHA-MIENTANA HO AMIN'NY FIKOJAKOJANA NY LAKANDRANO SY NY FAMBOLEM-BARY VOLY AVOTRA SY TAONA 2024-2025, FARITRA AMORON'I MANIA
    👉Asabotsy 11 mey 2024, nitohy tao Bemahazemona, CR Ambondromisotra, Distrika Ambatofinandrahana, ny fanokafana ny herinandron'ny fikojakojana ny lakandrano sy fambolena voly avotra, izay notarihin'ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA Suzelin, ny Governoran'ny Faritra Amoron'i Mania sy ireo delegasiona teo anivon'ny MINAE, ny DRAE Amoron'i Mania ary olomanan-kaja tao an-toerana.
    🌿"Lakandrano voakojakoja, antoka ho fampitomboana ny voka-bary", singa iray hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa ara-pambolena ho enti-mamokatra.
    🌿 Zava-dehibe hoy Andriamatoa Ministra "ny fanohizana sy fanentanana ny mpamokatra amin'izao hetsika izao mba hampaharitra ny asa fampandrosoana ny eny ifotony, tafiditra ihany koa ao anatin'ny fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana sy ny Andry telo izany ary indrindra ny fanatanterahana ny manakaiky vahoaka".
    🌱Sompitra ara-pamokarana ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania i Bemahazemona ary isan'ny mpamatsy ny Faritra Matsiatra Ambony sy Vakinankaratra. Maro ny fotodrafitrasa namboarina toy ny lakandrano sy tohodrano.
    👉Nitohy ny fanohanana ka nisy ny fizarana Masomboly : vary an-drano 954 kg, zezika NPK 1 590 kg ary zezika biolojika 7 950 kg . Mitotaly 106 ireo mpisitraka izay avy amin’ny Kaominina Ambondromisotra, ary nozaraina karatry ny mpamokatra ihany koa. Tohana avy MINAE tamin’ny alalan’ny Projet PURPA izay vatsian’ny BAD vola ary fiaraha-miasa akaiky amin’ny Fonds de Développement Agricole - Madagascar
    👉Nisy ihany koa fanolorana fitaovana fanamainana voankazo avy amin'ny Programme DEFIS .
    👉🌱Namporisika hatrany Andriamatoa Ministra amin'ny fampiasana masomboly voafantina sy voamarina, izay hiara-miasa amin'ny #FOFIFA. Nanamafy izy fa zava -dehibe ihany koa ny fampiasana zezika ho fijakiana ny fahasalaman'ny tany.

Комментарии •