FAMPIOFANANA IREO MPAMPIOFANA MOMBA NY FANAPARIAHANA NY TEKNIKA AGROEKOLOJIKA ANY MENABE sy MELAKY

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 30 апр 2024
  • FAMPIOFANANA IREO MPAMPIOFANA MOMBAN’NY FANAPARIAHANA NY TEKNIKA AGROEKOLOJIKA HO AN’NY FARITRA MELAKY SY MENABE
    👉Taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny « Forum du Conseil Agricole à Madagascar » tamin’ny taona 2023, dia nisy ny atrikasa fanofanana ireo mpampiofana momban’ ny teknika fanitarana ny agroekolojika ny FCA. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny singa fototra faha-3, na « Accelerating AgroEcological transformation through Rural Advisory Services » (AERAS), izay ataon’ny Tetikasa "Programme mondial pour les petits producteurs agroécologiques et la transformation durable des systèmes alimentaires" (GP-SAEP).
    👉Tanjon’ny atrikasa ny hahatonga ireo mpampiofana ho matihanina ka hametrahana ny tambazotran’ireo teknisianina izay afaka hanamparika fahaiza-manao eo amin’ny lafin’ny Agroekolojika any amin’ny Faritry Menabe sy Melaky, ary ihany koa ny hanapariahana ny paikadim-pirenena ho fanaraha-maso ireo mpanamparika eo amin’ny lafin’ny famokarana.
    ✅Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana sy fanampariahana ireo fomba fiasa eny ifotony ity atrikasa ity ary koa hampiroboroboana ny faharetan’ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara.
    🌿Ny 29 avrily ka hatramin’ny 3 mey 2024 ao Ambatobe Nanisana no anatanterahana ny atrikasa; fanofanana mafonja natao indrindra ho an’ireo mpampiofana, ireo mpanara-maso ho avy amin’ireo mpiasan’ny fanitarana ny fambolena, mba hampitaovana azy ireo amin’ny fahaiza-manao ilaina amin’izany.
    #MINAE
    #FCA
    #gpsaep
    #fida
    #melaky
    #menabe

Комментарии •