BISMAK / DILLIE - "Efa ela"
HTML-код
- Опубликовано: 8 фев 2025
- Paroles et musique: Nini Annick Herimalala
Vidéo: Réalisation / montage / Post production: Annick Herimalala
BismakMusic
annickbismak
bismak
"Efa ela"
Ianao hiteny no nandrasana
Saingy ianao tsy nanambara
Fa dia moana toy ny fasana
Tsy niteny tsy nitsara
Tsy fantatro izay tena marina
Ianao minia toa tsy miteny
Ny saiko izay tia mandalina
Lasalasa oa mirenireny
Ka lazao amin'izay
Efa ela aho no afa-po
Lazao amin'izay
Efa ela aho no afa-po
Rehefa diso tafahoatra
Ny fahanginanao hatrizay
Dia ny alahelo indray no hivoaka
ka ho very saina ho very fanahy
Aoka izay ny ankamantatra
Aoka izay ny tsiambararoa
Efa ela aho no te hahafantatra
Efa ela aho no afa-po
Ka lazao amin'izay
Efa ela aho no afa-po
Lazao amin'izay
Efa ela aho no afa-po
Efa ela aho
Efa ela aho no afa-po
Efa diso tafahoatra
Ny fahanginanao hatrizay
Dia ny alahelo indray no hivoaka
ka ho very saina ho very fanahy