EFA 30 TAONA NO TOKONY NANANA LISEA NY KAOMININA ANTEHIROKA
HTML-код
- Опубликовано: 5 янв 2025
- Hatramin’izao, voahangatra raha samy kaominina Antehiroka ; izy irery no kaominina tsy manana lisea eo afovoan’ireo kaominina manodidina azy.
Zon’ny vahoaka ny misitraka fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filàny ary andraikitry ny ben’ny tanàna no mameno ny banga sy ny maharary ny vahoaka, hoy Mamy Rakotompanahatra na Zoky Mamy Kandidà mitondra ny laharana faharoa ao amin’ny kaominina Antehiroka. Efa tokony nanana lisea nandritra ny 30 taona Antehiroka, raha ny fangatahana natao an-taratasy sy ny fahazoana toeraha hananganana izany no jerena, hoy Edmond Radolamandimby mpandinika fiarahamonina ; Saingy tsy nipetraka ho vaindohan-draharaha izany ho an’ireo ben’ny tanàna nifandimby. Manala fahasahiranana ny mponina ny fipetrahan’izany ary hampandroso ny kaominina bebe kokoa izay ambara ho vavahadin’Iarivo kanefa hany tokana amin’ireo kaominina manodidina tsy manana lisea. Voatery miparitaka amin’ireo kaominina manodidina azy araka izany na mijanona amin’ny fianarana ireo tanora mahazo ny maripahaizana BEPC, manena ny tahan’ny fari-pahaizany azany ary mihena manaraka izany ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana. Isan’ny tokony apetraka ho laharam-pahamehana ihany koa ny fandriam-pahalemana ka tafiditra anatin’izany ny fanazavana ny lalana sy ny fidiovan’ny tatatra tsy ho lasa fanararaotan’ny olondratsy ho an’ny mpiasa mody alina. Tokony hahatateraka ireo ary tokony hanao vaindohan-draharaha ireo ny ben’ny tanàna manaraka hampipetraka ny hasin’Antehiroka ka ho fitaratra amin’ny maha-vavahadin’Iarivo azy.