ATRIKASA FANEHOANA VOKA PIKAROHANA FANAFODY IADIANA AMIN'NY ARETINA MPAHAZO NY FOTOTRA KAKAO

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 15 май 2024
  • Taorian'ny andrana natao iadiana sy isorohana ny aretina miseho amin'ny fototra kakao dia nisy ny atrikasa "Fanehoana ny voka-pikaroahana fanafody ara-boajanahary", natao ny 10 mey 2024, tao amin'ny distrik'Ambanja, Faritra DIANA.
    Nahitana vokatra tsara sy nahomby ny ady natao tamin'ity trangan'aretina eo amin'ny fototra kakao ity, araky ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo tantsaha mpamboly, izay nanaovana fanandramana, ka maro tamin'izany ny fambolena kakao no avotra sy namoa ary namokatra tsara.
    Marihina fa araky ny fakan-kevitra sy fanehoan-kevitra teo amin'ireo mpamokatra dia tapaka fa ezahina ny hanapariahana ity voka-pikarohana ity manerana an'ireo mpamboly kakao eto Madagasikara, izay mbola
    hakana fankatoavana ny fanapariahana izany. Ka mba ho voaharo hatrany ny kalitaon'ny kakao izay mampalaza ny Firenena.
    Marihina fa izao fikarohana sy atrikasa fanehoan-kevitra izao dia notarihin'ny ekipa teo anivon'ny MINAE tamin'ny alalan'ny DPV na (Direction de la Protection Végétaux), Tale Ramatoa RAMILIARIJAONA Saholy, fiaraha- miasa tamin'ny CNC (Conseil National du Cacao).
    #minae
    #cnc
    #fofifa
    #cacao
    Version française: www.minae.gov....

Комментарии •