FANDAHARANA Sal 5:1-3 Hira HF 48 (Andriamanitra fitiavana ianao...) Vavaka Hira 205/1 ( Ny teninao rehetra ry Tompo tia anay... ) Soratra Masina 2 Pet 3:11-18 Hira HF 29/2 (Tsy mba misy fanorenako...) HAFATRA Vavaka + RZA Fanekem-pinoana 1 Hira 499/1 (Inona re no atakaloko...) Tsodrano
Avaozy isan'andro aho sy ny ankohonako TOMPO ô ahalala h@farany ny fahefanaO miasa tanteraka 💯 eo @andavan'andro- piainanay n'aiza2 misy anay eto @izao tontolo izao ity🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @tenin'A/tra voazaranao anio Alatsinainy 28/10/24 faran'ity volan'oktobra ity ,ny Tompo ombanao sy ny ankohonanao lalandava koa 😇
PDF :
fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/hafatry_mpitandrina/mofonaina-28-oktobra-2024-ii-petera-311-18/
FANDAHARANA
Sal 5:1-3
Hira HF 48 (Andriamanitra fitiavana ianao...)
Vavaka
Hira 205/1 ( Ny teninao rehetra ry Tompo tia anay... )
Soratra Masina 2 Pet 3:11-18
Hira HF 29/2 (Tsy mba misy fanorenako...)
HAFATRA
Vavaka + RZA
Fanekem-pinoana 1
Hira 499/1 (Inona re no atakaloko...)
Tsodrano
TAHIRIN-KEVITRA
II Petera 3:11-18
Konteksta:
Fanararaotan'ireo mpanao fampianaran-diso ny faharetan'Andriamanitra amin'ny fiverenany. Nosoratana ity toko ity ho fanamafisana orina ny finoana sy ho fampitandremana eo am-piandrasana ny fihavin'ny Tompo.
Mpino mihavao mandra-pihavin'ny Tompo:
1 - Mihavao amin'ny fahamasinana (andininy 11-12)
Fampiharana: Fiainana mihohoka amin'ny fahotana samihafa. Manaiky mora ny zava-misy. Mifanaja zo.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay ihavaozan'ny fahamasinana.
2 - Mihavao amin'ny fanantenana (andininy 13)
Fampiharana: Fiainana miondrika ao amin'ny fahoriana sy ny mora levona.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozan'ny fanantenana.
3 - Mihavao amin'ny fanompoana (andininy 14-16)
Fampiharana: Sarotra ny mahita fanoloran-tena madio. Vitsy ny manda tena hiasa amin'ny fahazotoana. Mipasoka ny efa malama no betsaka.
ANTSO: Na izany aza, aza mandrimandry manan-draharaha. Aza mionona amin'ny efa vita. Tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozana amin'ny fanompoana.
4 - Mihavao amin'ny fahalalana (andininy 17-18)
Fampiharana: Rehefa tsy mahalala ny olona dia voafitaka sy voambaka (Mitafia gony!). Rafitra tokoa: fihavaozana hafahafa. Be ny malaina mianatra fa mitsimpontsimpona (mitsindroka) izay sendra ren'ny sofina. Sarotra ny fotoana hampitomboana fahalalana.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozana amin'ny fahalalana.
Mihavaoza ao amin'ny Tompo mandra-pihaviny:
Amin'ny fahamasinana
Amin'ny fanantenana
Amin'ny fanompoana
Amin'ny fahalalana
Ho an'Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amena.