Ampitombohy ato anatiko sy ny ankohonanako mandrakizay JESOA ny fanantenana ANAO oentinay miatrika ny fiainanay n'inona2 manoloana anay eto @izao tontolo izao 🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @tenin'Andriamanitra voazaranao @izao fiatombohan'ny volana " novembre izao" . Itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny fitiavan'Andrimanitra,ary ny fitandremana tarihinao tompoko 😇
TAHIRIN-KEVITRA Titosy 1:1-4 1 - NY BOKY 1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay 1.2 Fanampiny Taona: 63-66 T.K. Mpanoratra: Paoly. Titosy: Grika (Galatiana 2:3), ara-panahy dia zanak’i Paoly izy (Titosy 1:4). Tao Kreta no nanendrena an’i Titosy. Epistily Pastoral ity epistily ity, nosoratana tany Makedonia na Efesosy. Antony nanoratana: Fiangonana vaovao ny tao Kreta, ary dia nilaina ny fanitsiam-pitondran-tena sy ny fampianarana ny fitondran-tena Kristianina. Toy ny epistily rehetra nosoratan’i Paoly dia asongadiny koa ny filazana ny fahasoavana ho antoky ny famonjena (toko fahatelo). Ireo teny manamarika ny boky: Mpamonjy (in-6), na izy + Andriamanitra (Titosy 1:3) na + Kristy Jesoa (Titosy 1:4). Ny hoe "fampianarana tsy misy kilema" sy "fahononan-tena." Lazainy fa ny fitambaran’ny fampianarana tsy misy kilema sy ny fahononan-tena no mahatonga toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ny vokatry ny fampianarana tsy misy kilema dia fitondran-tena sy asa tsara. 1.3 Drafitry ny boky 131- Ny fitantanana sy fandraharana ao amin’ny Fiangonana (1:1-16) 132- Ny fitondran-tenan’ny Fiangonana (2:1-15) 133- Fitondran-tena ara-piaraha-monina sy ny fahasoavana (3:1-15) 2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA 2.1 Famaritana ny Teksta Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza ny fitantanana ny Fiangonana. Tapany voalohany izay manokatra ny Epistily ary mamaritra ny fitondran-tenan’ny mpitarika. Fanolorana fiarahabana. 2.2 Voambolana Finoana (1:1): "Pistis" - finoana mifamatotra amin’ny fankatoavana ny fifidianan’Andriamanitra; miorina sady mahavokatra fitondran-tena tsara. Pistis dia azo adika koa hoe matoky sy mandresy lahatra. Fanantenana (1:2): "Elpis" - miresaka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eto. Ny Elpis eto dia tsy faniriana fotsiny fa fanantenana azo antoka miorina amin’izay efa nolazain'Andriamanitra (teny fampanantenana). 3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA Ampifanojoana amin’ny lohahevitry ny perikopa volana Novambra 3.1 Ny fandraisana ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena sy amin’ny fijoroana tsy misy henatra: Aoka hanompo amin’ny faharesen-dahatra ho olom-boantso isika ary hanompo amin’ny fanetren-tena fa tsy filam-boninahitra (andininy 1). 3.2 Ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinana efa nampianarina sy nianarana: Fahamarinana mitarika amin’ny fiainana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra; aoka hiorina sady hivelona amin’ny fiainana feno fahamasinana araka ny fampianarana izay nomena (andininy 2). 3.3 Ny fananana toe-panahy feno fanantenana miorina amin’ny fahatokiana ny Tenin’Andriamanitra: Aoka tsy handeha amin’ny fihetseham-po, fa tena tarihin’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy hiala amin’izay efa antenaina na inona na inona mitranga. Andriamanitra tsy mandainga no niteny (andininy 2). 3.4 Ny fanatanterahana ny fanompoana niantsoana araka izay nampanaovina sy mifanitsy amin’ny sitrapon’Andriamanitra: Aoka ho feno fahavononana hanatanteraka ny fanompoana nampanaovina isika, ary ataovy araka izay nandidin’Andriamanitra izany (andininy 4). 3.5 Ny fanehoana fifandraisana lalina toy ny ankohonana iray noho ny finoana: Aoka ho tena fiainana ny fanononana ny hoe "ry havana malala ao amin’ny Tompo" (andininy 5).
Ampitombohy ato anatiko sy ny ankohonanako mandrakizay JESOA ny fanantenana ANAO oentinay miatrika ny fiainanay n'inona2 manoloana anay eto @izao tontolo izao 🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @tenin'Andriamanitra voazaranao @izao fiatombohan'ny volana " novembre izao" . Itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny fitiavan'Andrimanitra,ary ny fitandremana tarihinao tompoko 😇
Misaotra betsaka Pasteur MIARISOA ! Mirary Soa Hatrany e !Alice Timothee Sylvia Kanto Kaliana :Ireo Zanakaam aman-jafiko.
'Nankaty @ Rahavaviko Aho omaly hariva.Merci.
FANDAHARANA
Sal 119,89-96
Hira 537 (Endrey ny hamaroan'ny soa..)
Vavaka
Hira 210/1 (Zavatsoa tokoa.)
Soratra Masina : Titosy 1:1-4
Hira 174/1.5 (Avia Fanahy o!) (Ry mpampianatra o!)
Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
Vavaka+RZA
Hira 489/1 (Tena sambatra sy maha te ho tia)
TSODRANO.
PDF : fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/mofonaina-01-novambra-2024-titosy-11-4/
TAHIRIN-KEVITRA
Titosy 1:1-4
1 - NY BOKY
1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay
1.2 Fanampiny
Taona: 63-66 T.K.
Mpanoratra: Paoly.
Titosy: Grika (Galatiana 2:3), ara-panahy dia zanak’i Paoly izy (Titosy 1:4). Tao Kreta no nanendrena an’i Titosy. Epistily Pastoral ity epistily ity, nosoratana tany Makedonia na Efesosy.
Antony nanoratana: Fiangonana vaovao ny tao Kreta, ary dia nilaina ny fanitsiam-pitondran-tena sy ny fampianarana ny fitondran-tena Kristianina. Toy ny epistily rehetra nosoratan’i Paoly dia asongadiny koa ny filazana ny fahasoavana ho antoky ny famonjena (toko fahatelo).
Ireo teny manamarika ny boky: Mpamonjy (in-6), na izy + Andriamanitra (Titosy 1:3) na + Kristy Jesoa (Titosy 1:4). Ny hoe "fampianarana tsy misy kilema" sy "fahononan-tena." Lazainy fa ny fitambaran’ny fampianarana tsy misy kilema sy ny fahononan-tena no mahatonga toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ny vokatry ny fampianarana tsy misy kilema dia fitondran-tena sy asa tsara.
1.3 Drafitry ny boky
131- Ny fitantanana sy fandraharana ao amin’ny Fiangonana (1:1-16)
132- Ny fitondran-tenan’ny Fiangonana (2:1-15)
133- Fitondran-tena ara-piaraha-monina sy ny fahasoavana (3:1-15)
2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
2.1 Famaritana ny Teksta
Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza ny fitantanana ny Fiangonana. Tapany voalohany izay manokatra ny Epistily ary mamaritra ny fitondran-tenan’ny mpitarika. Fanolorana fiarahabana.
2.2 Voambolana
Finoana (1:1): "Pistis" - finoana mifamatotra amin’ny fankatoavana ny fifidianan’Andriamanitra; miorina sady mahavokatra fitondran-tena tsara. Pistis dia azo adika koa hoe matoky sy mandresy lahatra.
Fanantenana (1:2): "Elpis" - miresaka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eto. Ny Elpis eto dia tsy faniriana fotsiny fa fanantenana azo antoka miorina amin’izay efa nolazain'Andriamanitra (teny fampanantenana).
3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA
Ampifanojoana amin’ny lohahevitry ny perikopa volana Novambra
3.1 Ny fandraisana ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena sy amin’ny fijoroana tsy misy henatra: Aoka hanompo amin’ny faharesen-dahatra ho olom-boantso isika ary hanompo amin’ny fanetren-tena fa tsy filam-boninahitra (andininy 1).
3.2 Ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinana efa nampianarina sy nianarana: Fahamarinana mitarika amin’ny fiainana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra; aoka hiorina sady hivelona amin’ny fiainana feno fahamasinana araka ny fampianarana izay nomena (andininy 2).
3.3 Ny fananana toe-panahy feno fanantenana miorina amin’ny fahatokiana ny Tenin’Andriamanitra: Aoka tsy handeha amin’ny fihetseham-po, fa tena tarihin’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy hiala amin’izay efa antenaina na inona na inona mitranga. Andriamanitra tsy mandainga no niteny (andininy 2).
3.4 Ny fanatanterahana ny fanompoana niantsoana araka izay nampanaovina sy mifanitsy amin’ny sitrapon’Andriamanitra: Aoka ho feno fahavononana hanatanteraka ny fanompoana nampanaovina isika, ary ataovy araka izay nandidin’Andriamanitra izany (andininy 4).
3.5 Ny fanehoana fifandraisana lalina toy ny ankohonana iray noho ny finoana: Aoka ho tena fiainana ny fanononana ny hoe "ry havana malala ao amin’ny Tompo" (andininy 5).