MOFONAINA 25 OKTOBRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 6 ноя 2024

Комментарии • 4

  • @rajaonarisonnorotiana5184
    @rajaonarisonnorotiana5184 12 дней назад

    Mahavonjy tanteraka 💯 ny finoana,ary azo tsapain-tanana tanteraka 🙏. Misaotra indrindra Pasteur Miarisoa, hoaminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny fitiavaNy ,ary ny fiadanaNy hoaminay ondry tarihinao tompoko 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  12 дней назад

    FANDAHARANA :
    Fiantsoana sy Fiderana : Salamo 119:1-8
    Hira: 471/1.3
    Vavaka
    Hira HF6/2
    Soratra Masina: Romana 1:8-12
    Hira HF4/3
    Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
    Vavaka
    Hira HF1/1
    Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  12 дней назад

    PDF :
    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/mofonaina-25-oktobra-2024-romana-18-12/

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  12 дней назад

    TAHIRIN-KEVITRA
    Romana 1:8-12
    1 - NY BOKY
    1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay
    1.2 Fanampiny
    Paoly no nanoratra. Tsy fantatra izay namaky lay tamin’ny fitoriana tany Roma.
    Taona nanoratana: 57-60 T.K.
    Toerana nanoratana: Tao Korinto, ary nanam-pikasana ho any Roma izy (Romana 1:9-10; Romana 15:23-24).
    Tao Roma no maty martiora Paoly ny taona 68 T.K. (37 T.K. izy no niova fo).
    Toy ireo epistily hitantsika, ny boky dia mivohy ny fotokevitra hoe "Ny famonjena dia fahasoavana avy amin’Andriamanitra fa tsy vokatry ny asantsika olombelona." Fototry ny fanitsiam-pivavahana protestanta ny bokin’ny Romana.
    Tena maro ny andininy fiainantsika Kristiana ato amin’ity Boky ity.
    Ireo teny fanevan’ny taom-piasana FJKM:
    Romana 8:28 (2)
    Romana 15:18 (5)
    Romana 1:17b (16)
    Romana 8:24a (17)
    1.3 Drafitry ny boky
    131- Ny mpanota ny olona rehetra ka mila famonjena (1-3)
    132- Ny finoana no lalana ho amin’ny famonjena (4-5)
    133- Ny fiainam-baovao omena ny mpino (6-8)
    134- Ny fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy ny famonjena ny firenena rehetra (9-11)
    135- Toromarika samihafa momba ny fampiharana ireo fampianarana (12-16)
    2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
    2.1 Famaritana ny Teksta
    Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza fa mpanota ny olona rehetra ka mila famonjena ary tafiditra indrindra ao amin’ny teny fiarahabana sy ny antony lehibe amin’ny Epistily.
    2.2 Voambolana
    Misaotra (Romana 1:8): "eucharisteo" - Midera no tena heviny: tsy fankasitrahana fotsiny fa fankafizana (fanomezam-boninahitra) koa.
    Fahasoavam-panahy (Romana 1:11): "charisma" - Fanomezam-pahasoavana.
    3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA
    3.1 Kristy no mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra (Rom 1:8).
    3.2 Ny fiainana ny filazantsaran’i Kristy (Rom 1:9).
    3.3 Ny finoanao matanjaka dia maneho ny voninahitr’Andriamanitra sady fitaratra ho an’ny hafa (Rom 1:8).
    3.4 Ny fifampaherezana dia fiainan’ny Fiangonana (Rom 1:11-12).
    3.5 Ny fifankatiavan’ny mpino Kristiana (fiombonan’ny olona masina) (Rom 1:9-10).
    4 - FAMPIHARANA: AOKA
    4.1 Aoka tsy ho adinoina ny manao ny vavaka amin’ny anaran’i Jesoa sy ny manao zavatra amin’ny anaran’i Jesoa (1 Timoty 2:5).
    4.2 Aoka hazoto handini-tena isika ny amin’ny fiainantsika marina ny Filazantsara izay noraisintsika. Asehoy amin’ny fiainantsika mandrakariva ny fahamarinan’ny filazantsara niainantsika.
    4.3 Aoka hametraka fanamby isika hanao ny asantsika ho fanehoana ny finoana ao anatintsika mba hankalazan’ny hafa an’Andriamanitra.
    4.4 Aoka ho hita eo amin’ny Fiangonana fa tena toeran’ny fifampizarana sy ny fifampaherezana ny Fiangonana.
    4.5 Aoka ho toerana itarafana firaisan-kina sy fifankatiavana ny Fiangonana.