ANDRIAMANITRA FITIAVANA II de Henri Ratsimbazafy
HTML-код
- Опубликовано: 7 ноя 2024
- Paroles:
"Andriamanitra Fitiavana
Ianao nampianatra anay
Mba hahay mihavana
Sy mba hifankatia hiray
Mba hahay mihavana
Sy mba hifankatia hiray
Fa misy didy lehibe iray
Zay nomenao fahizay
Mba hifankatiavanay
Toy ny nitiavanao anay
Mba hifankatiavanay
Toy ny nitiavanao anay
Dia nasehonao izany
Ho porofo hay tsapaina
Fony ianao tety an tany
Ka namoizanao ny aina
Tahio e tahio Zanahary
Ka toroy ary koa ampianaro
Hifankatia hatrany hatrany
Mandra-piala eto an-tany
Hifankatia hatrany hatrany
Mandra-piala eto an-tany
Fa ianao nisolo voina
Hamonjena anay mpanota
Ka nanaiky ny ho vonoina
Sy ho faty tao Gologota
Tahio e Tahio Zanahary
Ka toroy ary koa ampianaro
Hifankatia hatrany hatrany
Mandra-piala eto an-tany
Hifankatia hatrany hatrany
Mandra-piala eto an-tany"
Avec l'accord de l'artiste
Henri Ratsimbazafy