𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀 (Unplugged 2021 / Sehatra.Com / Feat. Landy)

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 4 сен 2024
  • Malala! Malalako!
    Mba mandray kifafa kely ianao androany
    Malala ôh!
    Dia rehefa vitanao ny sasa-vilany sy lovia
    Dia mbô atao ny lakozia
    Malala! Malalako!
    Anio mba ataonao ny sasa-lamba
    Dia aza avelanao hanorisory, aza asiana lonilony
    Fa fitiavana daholo izany!
    Fa reraky ny manompo anao aho
    Leo manao izao sy izao ho anao
    Marary be ny lohako
    Dia maninona moa raha toa ianao tena tia tokoa!
    Androany ihany izany mba atao
    Malala! Malalako!
    Aiza no ahavitako izany rehetra izany!
    Malala ôh!
    Fa rehefa vitako ny sasa-vilany sy lovia
    Dia mba ataonao ilay lakozia
    Malala! Malalako!
    Kôzy raha mba haiko izany sasa-lamba izany!
    Koa aza mba mifanorisory fa mba tsy hisian'ny lonilony,
    Dia zaho aza mba atao izany intsony!
    Fa reraky ny manompo anao aho
    Leo mamelona anao
    Mba marary koa ny lohako
    Dia maninona moa raha toa ianao tena tia tokoa!
    Izany rehetra izany mbô ataontsika roa
    Dia rehefa vitantsika roa daholo izany rehetra izany
    Fitia mifamaly, mandrimandry, mifaly.
    Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA

Комментарии • 5