Ahy Jesosy (Clip HD) - Tanora Masina Itaosy
HTML-код
- Опубликовано: 9 фев 2025
- FITORIANA AN-KIRA lehibe ataon’ny Antoko Mpihira TANORA MASINA Itaosy ao amin’ny PALAIS DES SPORTS Mahamasina ny Alahady 03 Jolay 2016 amin’ny 2 ora tolakandro.
Ivon’ny fankalazàna ny faha-25 taonan'ny nijoroan'ny Antoko Mpihira TANORA MASINA Itaosy io koa manasa antsika mpianakavin’ny finoana rehetra fa hifampizara fifaliana sy hifampahery amintsika mandritra ny adiny 4 izahay amin’izany.
Ho hitanao ao avokoa ireo Raki-kira efa navoakan’ny TANORA MASINA Itaosy hatramin’izay, indrindra fa ny vokatra farany dia ny CD Audio volume 8 "AHY JESOSY" sy ny DVD spécial 25ème anniversaire ary ny bokin-kira miaraka aminy.
Toerana ahitana ny valopy fanasàna amin’ny vidiny 1 000Ar sy ny karatra famandrihan-toerana :
Radio RTF Ambatovinaky
Librairie Loterana Select Hotel Analakely
Magasin Motul Behoririka (ampitan'ny station GALANA)
FLM Ambohimasina Itaosy (Terminus 133 Cité)
Tsena Zina (Tohatohabato Antaninarenina)
Design Auto (Ankorondrano)
ary any amin'ireo mpikambana Tanora Masina Itaosy rehetra.
Dia manantena ny fahatongavanao ho voninahitry ny Tompontsika
Efa 2025 fa mbola mampahery hatrany ity hira ity
Misaotra betsaka amin'ity hira ity fa tena mampahery antsika zanak'Andriamanitra!Voninahitra ho Azy irery ihany!mahereza daholo amin'ny fanompoana Azy isika rehetra!
Makasitraka anareo rehetra fa tena tsara tokoa ilay hira no sady feno hafatra 🙏🙏❤❤❤🥰
Ity hira ity raha isaina ny nihainoko azy dia angamba in'ny arivo. Tsy mety leo aho. Misaotra an' Andriamanitra aho fa nahary anareo Tanora Masina Itaosy Izy. Ary mangataka @ Jesosy aho mba hitombo hery sy talenta sy fitiavana an'i Jesosy ary Finoana Azy ianareo ka ahavita be be kokoa sy tsara kokoa hatrany. Homba anareo anie ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Rivo Ranaivosoa tena tsy makaleo mintsy ! Mdr
Mampahery loatra lahy zany tonon-kira sy hira izany e !!! Hotahiana indrindra ianareo Tanora masin'' i Jesoa Kristy !!
Misaotra indrindra Tompoko ! Atolotsika ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra fa Izy no nanome ny talenta e !
Tena tsar le hiranareo ry tanora masina itaosy❤
Rahovina vao hifarana ireo fahoriko 😓 soa fa teo Jesosy
Na lavo aza isika dia mbola hiarina ihany, ary raha mitoetra ao @ aizina isika dia Jehova no fahazavana ho atsika. Koa dia aza kivy raha sendra misy mahalavo anao. Matokisa, minoa, fa ny Tompotsika dia lehibe noho ireny olana ireny. Mahereza daholo
Ahy Jesosy!!!ten mikasika n foko izay hira izany!!!
mafinaritr n fitoriana f tohizo
tadidiko ny ni tournenareo an'ireo clips nareo 2 reo :)tao Ranomafana, tsara be.
Mankahery Tanora Masina Itaosy fa tena tsara le hira mampahery amin'izao vanimpotoana sarotra lalovan'i firenena zao,Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany
Tiko loatra ity hira ❤❤❤
Mankasitraka indrindra
Tahiny Tompo
Tena tiko be le hira ❤❤
nefa manana aho , Jesosy o! manana anao ka tsy ahoako izany rehetra izany...... tsara tena mampahery be
Misaotra fa tena mitondra hery sy fanantenana be ity hira ity
nefa manana aho Jesosy o manana anao ka tsy ahoako zan rehetra izany
Efa manana aho, Jeso manana anao ❤️
sambatra marina Jesos izay manana anao astria ianao d marina ary tsy mbola namitaka
Ny foko tomany, matetika enao no manotany hoe roviana no farany e ireo fahorin-bediabe. Nefa manana aho,Jesosy manana anao ka tsy ahoako zany retra izany, SAMBATRA AHO MANANA ANAO ANJARAKO ETO ANTANY. Amen
Mitombo @fasoavana tompoko tena mavonjy fanahy maro ny fideranareo
Mahafinaritra ny hira sady mampahery, tanora resy lahatra @ fahatsaran'iJesosy , mahereza ary mahareta hatr@ farany tompoko. Tsy irery ihanareo .
Misento fôna za rehefa mihaino ity hira ity , ndriii betsaka tokoa ny ratsy fanahy mpampahory @ zao fotoana iainatsika izao..... saingy manana aho manana Anao Jesosy de tsy ahoako zan rehetra izany ... sambatra aho
Mahatsiaro sambatra mihitsy rehefa mihaino an ity hira ity mafinaritra f ny voninahitra ho an Andriamanitra irery ihany
...nefa manana aho, JESOSY ô manana Anao, ka tsy ahoako izany rehetra izany, sambatra aho manana Anao anjarako eto an-tany.... fa ahy JESOSY !! Amen ! Misaotra Tanora Masina Itaosy, mankahery anareo hatrany amin'ny fitoriana ny filazantsara an-kira.
Ny Tompo tsy hamela antsika ho irery mihitsy! Manana anjara foana isika ao aminy
❤❤❤❤❤❤❤❤
tiako loatra e ! Makasitraka indrindra !
Hafa ihany mihitsy ny manana an JESOSY, ka ho anao zay mbola tsy nandray AZY, raiso IZY anio
Misaotra tompoko fa tena mampahery na ny tonony na ny feon-kira.
ahy Jesosy.tsara be ilay hira
«Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.» - Salamo 73:26.
Samabatra aho manana Anao anjarako eto antany. Tsara tena tsara
Amen.🙏
mankasitra indrindra e!
tsara!sady mora hay na ny feony na ny tonony
Merci ❤
Sambatra aho manana anao jesosy
mba misy afaka manome tononkira ve ato azafady. Misaotra indrindra
Nenah njay le kalvary iny tena tsy voisako tsonii ze nihenoko azy .. Fa tera dhl le hiranareo... Mankasitrak
fiadanana! mba mangataka cmpt fb vao2 fa le ray efa feno! mankasitrak i ndrindra tompoko! mafinaritra le fitoriana ankira
Miarahaba Tompoko ! Compte anakiroa no misy fa efa feno avokoa izy roa fa azonao atao tsara ny miditra ao @ Groupe Facebook TANORA MASINA (CHORALE) na manao "j'aime" ny page-nay. Ireto ny lien :
facebook.com/groups/tanora.masina.itaosy/
facebook.com/tanoramasina.itaosy.officiel/
Mankasitraka indrindra Tompoko.
tena tsara (y) misaotra betsaka indrindra
Mankasitraka
Tena tiak loatr ❤️❤️❤️❤️
01/11/2024❤
mampahery mintsy le hira fa misaotra
❤❤❤❤
salama tompoko afaka mba mahazo partition an'ito hira ito ve fa tsara lotra
Mankasitraka indrindra Tompoko
Tsara loatra , mampahery
tsara feo b daholy nareo ! :)
Za hwa MBA the hanao choral e ,EF MBA faniriko hatry NY ela be zany
Jaime
J' aime
Mankasitrak nareo tompok ,tsara Andriamanittra,mpankafy Tanora masina Itaosy za
Tiako loatra ilay hira , Misaotra Jesosy o !
Tena tsara loatra
amena
makasitraka , mba aiza kay io toerana misy rano nanaovanareo clip io ? azafady indrindra tompoko , fa tena tsara beeeeeee
ry foko tomany nahoana ianao no mitomany
Andriamanitra o tsy takatriny ny saiko mitsy ny fitiavanao ahy. Maningotra hatrany antapondohako ity hira ity misaotra re tompoko mankasitraka eee
Tena mampihetsi-po : marina loatra ilay tono-kira, ny lafiny artistika sy ny fampitana fandresehan-dahatra dia tonga lafatra. (Soso-kevitra kely farany : aza matahotra mijery caméra fa ilay maso hihila handehandeha indraindray rehefa "gros plan"). Misaotra ny fizaranareo anay an'izany rehetra izany ary mitrotro am-bavaka anareo anadahy sy rahavavy ao @ Tompo.
bjr,fa maninona kay le hira no tsy azo telechargena nefa zahay mankafy,azafady?
mankasitrak tompoko
Tsara tokoa ilay hira saingy fadio tsika zanak'Andriamanitra ny "manome tsiny" ny Ray. Fadio.
Fa isaory avokoa ny zava-drehetra, hoy ny soratra masina.
Soa ihany fa "ifonana" ilay izy ao anatin'ilay hira.
Mankasitraka
Tsy haiko na maro ireo misaina toa ahy
Raha mandinika ny tontolo ety
Toa hanjakan’ny haizina
Ka ny marina indray no miafy
Indraindray aza aho , dia solafaka mihintsy
Mialona ireo mpanao ratsy
Hanome tsiny anao ry Ray
Hifonako eto izany
Fiverenena :
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
“ Andriamanitra mahasoa ny olony tokoa dia ny madio fo
Fa izao dia saiky nibolisatra ny tongotro
Saika solafaka ny diako satria ,
Nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy
Iza no ahy any an-danitra , ary tsy misy ety ambony tany irika tahaka Anao
Fa na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay
Andriamanitra
Ary indro very izay lavitra anao , aringanao izay mahafoy anao ”
Fiverenena :
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
Amena !
😍😍😍🥰
Tsy haiko na maro ireo misaina toa ahy
Raha mandinika ny tontolo ety
Toa hanjakan’ny haizina
Ka ny marina indray no miafy
Indraindray aza aho , dia solafaka mihintsy
Mialona ireo mpanao ratsy
Hanome tsiny anao ry Ray
Hifonako eto izany
Fiverenena :
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
“ Andriamanitra mahasoa ny olony tokoa dia ny madio fo
Fa izao dia saiky nibolisatra ny tongotro
Saika solafaka ny diako satria ,
Nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy
Iza no ahy any an-danitra , ary tsy misy ety ambony tany irika tahaka Anao
Fa na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay
Andriamanitra
Ary indro very izay lavitra anao , aringanao izay mahafoy anao ”
Fiverenena :
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
Ry foko tomany , matetika ianao no manontany
Hoe rahoviana no ifarana e , Ireo fahoriam-be dia be
Nefa manana Aho , Jesosy o Manana Anao
Ka tsy ahoako izany rehetra izany
Sambatra Aho , Manana anao
Anjarako eto an-tany
❤
Tiko loatra.. ary tena mandatsaka ranomaso mits
Deraina Jesoa
Sambatra aho manana Anao Jesoa o,anjarako eto antany
tiako loatra e ! Makasitraka indrindra !