Karaoke gasy MEDLEY - LOLA
HTML-код
- Опубликовано: 9 фев 2025
- MEDLEY LOLA
F'angaha raha tsotra ny vehivavy
Dia araraotina ohatr'izany
Efa fantatrao f'izy tsy handao
satria babonao
Efa betsaka loatra ny zioga izay
nentin'ireny vehivavy
Atsaharo fa fomba mahamenatra
efa lany andro
Ny vehivavy fanaja,
Naterany ianao f'aza gaga
Raha toa mitady ho solafaka ianao
Eritrereto ny anabavinao
Mitazona ny teny nomeny
Izany no tena fahendreny
Fa izy rehefa tia dia tia
Miandrandra anao ho doria
TSY MANAHY -
Tsy manahy
n’inona inona ataonao ahy
Efa babonao
hatramin’ny ati-fanahy
Reo fijaliana ireo fahoriana
Nozakaiko hatramin’izay
Miangavy aho
aza mba ariana
Mitalaho
izay ihany dia hifaliana
TSY AZO ATAO AHOANA -
Adaladala ny fitia
tsy mifidy izay iantefany
Nangalarina hatrany ny fiarahanay
Vao mainka mamy ts'isy ohatr’izany
Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vao mainka mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady
tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana
TSY MISY OHATRAN'I NENY -
Raha mbola eto an-tany aloha
Tsy misy ohatran’i Neny
’Lay fitiavany ihany
no tsy mba lany
Na adala na hendry
na maditra ny zanany
Tiany foana foana
Tiany foana foana
Tiany foana foana
RAHOVIANA -
Rahoviana indray
vao ho hitako ianao ry tiako
Tsy andriko intsony
ny fotoana tokony hidinako
Fa angamba raha izao
no mitohy tsy ho zakako
Asa izay hanjo!
Rahoviana ? Rahoviana indray ?
Rah'oviana indray
vao ho hitako ianao ry tiako
Tsy andriko intsony
ny fotoana tokony hidinako
Fa angamba raha izao
no mitohy tsy ho zakako
Asa izay hanjo!
Rahoviana ? Rahoviana indray ?
TSY NIFANKAFOY -
Tsy nifankafoy nanomboka teo
Tsy nisy nifankaleoo
Zaran'ny tsirairay hoe hihaona
Mmmm miaraka foana
Tsy haiko fa lasanao daholo ny foko
Tsy haiko f'ianao irery
no andrian'ny loha
Haiko fa fanomezana avy any ambony
Ianao no anjara
amin'ny androm-piainako
Tsy haiko fa lasanao daholo ny foko
Tsy haiko f'ianao irery
no andrian'ny loha
Haiko fa fanomezana avy any ambony
F'ianao no anjara amin'ny androm-piainako
AZA ILAOZANA AHO -
Aza hilaozana aho,
Ny eo anilanao no efa mahazatra ahy
Sarotra ny hanadino anao
Malala aza mandeha izany ianao
Olombelona
mety hanam-pahadisoana tsy nahy
Mba amindrao fo raha azonao atao
Aza ilaozana fa mbola tena tia anao
TIAKO LOATRA IANAO )
Tiako loatra ianao
Tsy mahajery olon-kafa
intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Foiko ho anao daholo
Ny fiainako manontolo
tsy rediredy sanatria
fa tena tia
Tiako loatra ianao
Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Foiko ho anao daholo
Ny fiainako manontolo
tsy rediredy sanatria fa tena tia
LOLA