MAMA VOLAHAVANA GERMAINE NENILAVA sy ny taranaka mandova ny teny fikasana 1/4 │ D. Bruno Rabarihoela
HTML-код
- Опубликовано: 1 фев 2025
- Lahateny voalohany mamehy ny boky "Mama Volahavana Germaine Nenilava sy ny taranaka mandova ny teny fikasana", Edisiona Hi&Fi, 2021. Lahateny 24/11/2018.
Mama Volahavana Germaine Nenilava (14 Jolay 1920, Mandrondra - 22 Janoary 1998, Ankaramalaza)
“MITSANGÀNA, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, Ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao, Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, Ary ny aizim-pito manarona ny firenena; Fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, Ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao" Isaia 60:1-3.
Fahasoavana ho an’ny firenena Malagasy ny namangian’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’ireo raiamandrenin’ny Fifohazana efatra, nanomboka tamin’ny fifohazan’i Dada Rainisoalambo (1894) tao Soatanana. Mama Volahavana Germaine Nenilava dia nanomboka ny ministerany ny 2 Aogositra 1941. Vehivavy noresahin’i Jesosy Kristy isan’andro i Mama Nenilava. Tany an-danitra no nanokanan’i Jesosy azy hanatanterahany ny asa nanendrena azy, dia ny hanambarana ny hafatry ny Tompo ho an’ny Malagasy sy izao tontolo izao.
Nangataka taminy Jesosy Kristy, na teo aza ny fanetren-tenany, ny hanehoana teto an-tany izany fanokanana azy tany an-danitra izany, araka ny tenin'ny Tompo taminy nanao hoe: "Mba ho fantatry ny olona rehetra 'izao no nataoko taminao' " (1).
Noho ny famindrampon’Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara izany Fanehoam-panokanana an’i Mama Nenilava izany tamin’ny 2 Aogositra 1983 tao amin’ny FLM Tobilehibe Ankaramalaza.
Famantaram-paminaniana mamehy ny ministeran'i Mama Nenilava iray manontolo io Fanehoana io, no sady famantaram-panekena, antoka ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasana nampombain'Andriamanitra an'i Mama Nenilava ho an'ny zanany rehetra, araka ny teniny hoe: "ho an'ny zanako rehetra io, na ny nahita ahy na ny tsy nahita ahy".
Ny zanany, araka ny famaritan'i Mama Nenilava azy, dia « izay rehetra tia an’i Jesosy », dia izay rehetra mino sy mandray an’i Jesosy Kristy, Izay notoriany, ho Tompo sy Mpamonjy azy, ary mandray, miorina sy miaina ny fampianarana nampitainy avy tamin’i Jesosy Kristy Tompo. Hoy ny hafatr'i Mama Nenilava tamin'i Dadatoa Bruno momba izany: “Soraty, soraty", sy ny hoe: "efa vita ve ny firaketana?", ary koa "tsy izaho Mama no nampanao an'io fa Jesosy" (2).
Nampandre ihany koa i Mama Nenilava fa hanadinana ny zanany rehetra ny tenin’Andriamanitra nampitainy. Hoy izy momba izany: "enga anie isika rehetra samy ho afaka ny fanadinana lehibe" (3).
Ry mpihaino hajaina, ho anao koa ny teny fikasana raha mandray ianao, koa mazotoa mihaino sy mianatra fa homba anao Jesosy Kristy Tompo. Hoy ny tenin’Andriamanitra: “minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina hianareo” 2 Tantara 20:20.
(1) D. Rabarihoela Bruno, "Ny Isaia toko faha-54 sy ny Fanehoam-panokanana an'i Mama Volahavana Germaine Nenilava - Boky fahenina 'Ny famindram-po ho fanavotana' ", Edisiona Hi&Fi, Febroary 2020, p.16.
(2) D. Rabarihoela Bruno, "Ny Fanehoam-panokanana an'i Mama Volahavana Germaine Nenilava Raiamandreny Tobilehibe Ankaramalaza, Ny teny fito fanendrena ny asa", Edisiona Hi&Fi, Jolay 1999, p.32.
(3) 67 Ha ny 16/12/1974; D. Rabarihoela Bruno, "Manoloana ny asa Fanehoam-panokanana an'i Mama Volahavana Germaine Nenilava", Edisiona Hi&Fi.
Dadatoa Rabarihoela Bruno (1946-2021):
Zanak'i Mama Volahavana Germaine Nenilava, mpiandry "Fanantenana" (Ankaramalaza, 1976). Nantsoin'i Mama Nenilava hoe "Dadatoa" izy, noho ny tenin'i Jesosy.
Mpiara-miasa sy mpiraki-tsoratra teo amin'i Mama Nenilava nanomboka tamin'ny taona 1974 ka hatramin'ny nahalasanan'i Mama Nenilava tamin'ny taona 1998.
Raiamandreny mpampianatra-mpampiofana ny mpiandry sy ny mpiomana ho mpiandry teo amin'ny Toby 238 FLM Fanantenana 67 Ha nanomboka ny taona 1979.
Mpikaroka-Mpampianatra sy Mpanolo-tsaina momba ny fiaraha-monina sy ny fitondrana.
Mpamoron-kira masina, nanomboka tamin'ny tarika "Bruno sy Malala" niarahany natsangana tamin'i Nenitoa Malala vadiny, Pentekosta 1972.
Filoha-mpanorina ny Fikambanana "Hira sy Filazantsara" niforona tamin'ny taona 1972 tamin'ny alalan'ny tarika "Bruno sy Malala", natokana tao amin'ny FLM Tobilehibe Ankaramalaza ny 1 Aogositra 1987.
Pejy:
hifi-madanet.org
Facebook:
/ hira-sy-filazantsara-3...
Perikopa isan'andro (malagasy): hifi-madanet.o...
Péricope quotidienne (français): hifi-madanet.o...
Daily Pericope (english): hifi-madanet.o...
Tägliche Perikope (deutsch) : hifi-madanet.o...