⚖️ KMSB Faratsiho: Mahatoky tanteraka ny HCC izay tompon’ny teny farany

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 8 сен 2024
  • SONGADIM-BAOVAO REAL NEWS, Ny Vaovao Marina #Madagascar
    KMSB Faratsiho : Mahatoky tanteraka ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenena izay tompon’ny teny farany ny KMSB Faratsiho fa hamoaka voka-pifidianana tsy mifanalavitra amin’ny vokatra vonjimaika efa navoakan’ny CENI, raha ny fanambarana nataon’ireto Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka ireto ny asabotsy 22 Jona. Notsiahivin’izy ireo fa na ny SRMV Faratsiho na ny CENI foibe dia efa namoaka am-pahamarinana ny voka-pifidianana izay nanamafy ny fandresen’ny kandida laharana fahatelo Ramilison Nomenjanahary amin’ny salan’isa 45, 29%. Niantso ny vahoakan’ny Faratsiho hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy avoakan’ny HCC ka hampitsahatra ny fihantsiana eny amin’ny haino aman-jery moa ny KMSB Faratsiho.

Комментарии • 1