Dobla sento - Lalatiana

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 6 фев 2025
  • DOBLA SENTO
    (Naka Rabemanantsoa)
    Midona aman-kalo ny oran-k' ho avy
    Miafana kely ireo olo-manavy,
    Ny fanantenana fa ho mando ny tany,
    Na koa hampitony ny maso tomany
    Injany midona Ankaratr' irony
    Ka manembonembona mafy ny fony
    Ny fon' ilay tiana ka lavitr' izany,
    Dia tsy mba mionona, tsy mety mitony
    Ny fo diso tia, ny fo sara-tiana,
    Hanomboka koa hisento mangina,
    Handefa ny sento hamaky ny foana,
    Hiampita ao an-tsofin' ilay tsy anoloana.
    Ny foko mitempo mihevitra koa
    Hanala ny sento tsy toha,
    Fa dobla sento mandeha iray dia
    Ho tonga santionan' ny fo mifangia

Комментарии •