Tantara Malagasy - NY MATOATOA AN-DRATSARAVELO (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 11 фев 2024
  • NY MATOATOA AN-DRATSARAVELO
    Tantara mampatahotra
    Tantara niainan'i Ramose Toky, voairaka hiasa hampianatra, tao amin'ny tanàna atao hoe Amberivatry. I Ravo dia isan'ireo mpampianatra ao Amberivatry, izay tonga nanatitra fanomezana toy ny akondro sy vomanga ho an'i Ramose Toky. Dadabe Ramaro izay lehiben'ny Fokontany teo aloha no tompon'ny trano hipetrahan'i Toky. Nandalo teo alohan'ilay trano misy rihana mitokana kely i Toky indray hariva ary nisy niantso avy ao amin'ilay trano...
    i Ratsaravelo ilay niantso an'i Toky, nahagaga an'ity farany ny resaka nataon'io vehivavy io izay resaka fitiavana tsy fanta-pototra mazava. Na nisalasala aza i Toky dia toa tsy te handà satria resi-lahatry ny hatsara-tarehin'ilay vehivavy misitery. Nanome fotoana i Toky fa hamaly ny fangatahan'i Ratsaravelo mikasika ny fitiavany. Teo am-piandrasana an'i Ratsaravelo i Toky no niditra ny trano i Ravo, tsy nanafina ny faniriany hifankatia tamin'i Toky itsy farany ary nampitandrina ihany koa hoe maro ihany ny vehivavy tsara eny an-tanàna fa misy koa ny ratsy toetra. Vao lasa i Ravo dia nandondona tao am-baravarana i Ratsaravelo ka nampandrosoan'i Toky tao an-trano, nanaiky hitia azy Toky. Noferan'i Velo tsy hampahafantatra ny fiarahan'izy roa i Toky...
    Mpanoratra : RAFIHERITRERETANA na RAKOTONIRINA Jean Emilson
    Mpilalao : Harilivah, Faly, Le Mec, Vanintsoa, Niravo
    Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
    Nanatontosa : Anja Hariliva

Комментарии • 5