Tsenan'Anosizato : Tsy manana olana ny tsena

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 5 янв 2025
  • Manatanteraka fanadiovana faobe isam-bolana ny tsenan'Anosizato antsinanana ho enti-manatevina ny ezaky ny tsirairay andavanandro. Natao izany ho fiarovana ny mety ho fihanaky ny aretina samihafa, "toerana maro mpivezivezy hifangaroan'ny karazan'entana sy mora manangom-pako ny tsena, mihanaka manaraka izany ny valan'aretina maro karazana" hoy ny lehiben'ny tsena; ka tokony ho tandrovana. Tafiditra anatin'ny fitsipi-pifehezana anatin'ny tsena ny tsy maintsy hanadiovan'ny mpivarotra tsirairay ny manodidina azy mialoha ny hodiany. Misy ny sazy mifanaraka amin'izany ho an'ireo tsy mahatanteraka. Mitombo rahateo manaraka ny fitomboan'ny mpivarotra, izay efa mananika ny dimanjato, ny fifampifehezana, araka ny fanazavana.
    Ankoatra ny fanadiovana, mamendraka ody biby isam-bolana ihany koa ny fitantanana. Hiarovana amin'ny bibikely sy ny otrikaretina tsy afaky ny kifafa sy ny rano no anton'ny hetsika. Tamberin'andraikitra ny fikarakarana ny tsena, ho valim-pitia amin'ireo mpivarotra mahaloa ara-dalàna ny haban-tsena izay mbola tsy nisiana olana hatramin'ny fitantanan'izy ireo, hoy ny filohan'ny delegen'ny tsena . Mandry fahalemana ihany koa ny tsena amin'ny harom-paosy sy ny sinto-mahery noho ny fisian'ireo mpiambina manokan'ny tsena izay hiavahan'ny tsenan'Anosizato Antsinanana amin'ireo tsena hafa eto andrenivohitra, araka ny fanazavany.

Комментарии •