Tantara Malagasy - ONTSA (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 15 сен 2024
  • ONTSA
    Tantaran'i Radio Don Bosco
    I Sahondra sy Ndriana dia ankohonana kely sahirana, ary toy ny omby mahia tsy lelafin'ny namany dia tsy mba tian'i Nary anadahin'i Sahondra mihitsy ry zareo, na izany aza dia niezaka nanatsara ny fiainany izy mianaka, namboly sy niompy. Raiki-pitia tamin'ny Felana zanak'i Mamy kosa i Ndriana, sadaikitra ihany ny reniny noho ny filazany fa tia an'i Felana izy, noho izy olona mahantra nefa i Felana zanaka mpanakarena.
    I Felana dia zanak'i Mamy vavy tokana, izay nandrato fianarana tany an-drenivohitra, ary ny toetran'i Felana dia somary manambony tena kely izay eo amin'ny tanàna. I Felana dia tsy mba tahaka ny Rainy (Mamy) olona tia filaminana, olona tia mifanampy amin'ny madinika na dia mpanakarena be aza. Tsy mba tahaka an'i Nary anadahin'i Sahondra, izay manana nefa manambany ny madinika, ary nankahala an'i Mamy izy satria i Mamy dia nanana noho izy, vokatry ny fihezahana. Nokasain'i Nary atao takalon'aina i Felana mba hanabotriana an'i Mamy, saingy tsy efa izany satria teo i Ndriana. Lasa mpifankatia i Ndriana sy Felana ary lasa mpivady taty aoriana.
    Mpanoratra : Fidèle Rakotonanahary
    Mpilalao : Tahina Nantenaina, Le Mec, Arlivah, Hanjariliva, Vanintsoa
    Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
    Nanatontosa : Ony Mihajanirina
    Tantara indray mihaino
    Tantaran'i Radio Don Bosco
    Tantara Malagasy

Комментарии • 1