Voka-pifidianana ofisialy : Niampy 3 ny solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny IRMAR

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 21 окт 2024
  • Voka-pifidianana ofisialy : Niampy 3 ny solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR) tamin’ny vokatra ofisialy navoakan’ny HCC ny 27 Jona, ka lasa nahazo ny antsasamanilan’ny solombavambahoaka ny IRMAR izay nahazo toerana 84, raha solombavambahoaka IRMAR miisa 81 no lany tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI ny 11 Jona lasa teo. Nisy solombavambahoaka tsy miankina 3 lany tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI kosa lasa resy teo anivon’ny HCC. Nitsimbadika mantsy ny voka-pifidianana nahalany an’ireo kandida mahaleo tena ireo tao Moramanga sy Maevatanana ary Antsohihy rehefa nivoaka ny voka-pifidianana ofisialy tao amin’ny HCC, ka kandida IRMAR avokoa no lasa nandresy tamin’ireo Distrika 3 nandresen’ny tsy miankina ireo.

Комментарии • 1

  • @rivoraza9227
    @rivoraza9227 3 месяца назад

    I tsy Niko a ny hcc fa mbola eo ambanin’ny pression’ny exécutif ihany : tsy Nathael majorité absolue ny Irma omaly, dia lasa Nathael indray izao nohon’ny fanafoanana ny vaton’ny mpandresy. Diversion fotsiny ny naharesy an’i lalatiana. Hc=hcc. Fa dia @ tomba ahoana no nanao any indépendant n’a mpanohitra fraude, kanefa ny assesseur sy ny mpikirakira fifidianana dia an.i rajoelina avokoa