Ambondrona - Ny Lalanao Atao (Concert 20 ans, La Cigale, Paris (02/07/2022)) 🔥

Поделиться
HTML-код

Комментарии • 1

  • @karimosolo3467
    @karimosolo3467 2 года назад

    Raha sendra ireny avonavon-teny
    Iniana lazaina ho fandemen-tsaina.
    Fandrabirabiana, fanambaniana
    Hilofika hono, tsy hiraka intsony
    Tafio ny ambom-po, vimbino tsiky koa
    Dia hoento mangina, iaino am-pitoniana
    Ny anao no ifantohy, ny lalanao no zory
    Mba ho tsara rindra ny famindra
    oh, oh, oh, oh
    Na misy hanakivy, na misy hankahala
    Ny nofinao fikiro, aza misalasala
    Fa ndrao taraiky hihaino ireo "be lazao"
    Ny hafa avelao, ny lalanao atao.
    Rehefa vonona ianao, sahia mijoro
    Fa tsy mba hangina ireo mpanakora
    Ireo vina efao, ifalio izay atao
    Ny ratsy ho vizana sy ho lao.
    Ny anao imasoana, omeo fotoana
    Hamafy hahavanona, hioty hasasarana
    Araho finoana, amin'ny fo tony
    Manetre tena, ho hery ny fahalemena
    oh, oh, oh, oh
    Na misy hanakivy, na misy hankahala
    Ny nofinao fikiro, aza misalasala
    Fa ndrao taraiky hihaino ireo "be lazao"
    Ny hafa avelao, ny lalanao atao.
    Aza mba variana miandry izay ho anjara.
    Ataovy izay vita hampandroso hahatsara.
    Ho vita hatrany izay natombokao.
    Ny omaly no hatsarao, ny lalanao atao.
    (...)
    oh, oh, oh, oh
    Na misy hanakivy, na misy hankahala
    Ny nofinao fikiro, aza misalasala
    Fa ndrao taraiky hihaino ireo "be lazao"
    Ny hafa avelao, ny lalanao atao.
    Aza mba variana miandry izay ho anjara.
    Ataovy izay vita hampandroso hahatsara.
    Ho vita hatrany izay natombokao.
    Ny omaly no hatsarao, ny lalanao atao.
    oh, oh, oh, oh
    ifalio
    izay atao,
    itsikio
    Ny lalanao atao
    oh, oh, oh, oh
    Fikiro
    ny nofinao
    Sahia,
    Ny lalanao atao
    A/C Beranto