FITSIDIHANA IREO ORINASA AO ANATIN'NY ECLOSIA Madagasikara ny 13 may 2024, tao Andakana

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 16 май 2024
  • Nisy ny fitsidihana ireo orinasa ao anatin'ny ECLOSIA Madagasikara izay notarihin' Andriamatoa Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RATOHIARIJAONA Suzelin, ny Tale Jeneralin'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa ANONDRAKA Michel ary ireo delegasiona eo anivon'ny MINAE, niarahana tamin'ireo ekipa tao amin'ny vondrona Eclosia, izay notarihin'ny Tale miandraikitra ny vondrona eto Madagasikara, Andriamatoa Jérôme Poutot, ny Tale Jeneralin'ny orinasa LFL, Andriamatoa Alexandre Malheiro, ny Tale Jeneralin'ny AVITECH, Andriamatoa Yannick Levantard ary ny Filohan'ny IPA, Andriamatoa Franck Razanamino.
    ✅Fotoana nahafahana nijery akaikaiky ireo asa ataon'ny Eclosia Madagasikara, ka tafiditra ao anatin'izany ny LFL, ny AVITECH, ny Maurilait, ireo orinasa ireo izay misehatra amin'ny famokarana sakafom-biby sy ny fiompiana akoho ary ny famokarana vokatra vita amin'ny ronono toy ny " Yaourt ".
    Tafiditra ao anatin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasan'ny Ministera sy ny sehatra tsy miankina Eclosia ihany koa izao hetsika izao.
    Miezaka ny mampiroborobo ny orinasa hatrany ireo tompon'andraikitra na dia efa misedra olana maro aza toy ny resaka "fiscalité agricole" izay tokony ho jerena manokana mba hitsinjovana ny orinasa sy ireo tantsaha mpiompy izay misehatra sy miaraha miasa aminy akaiky.
    Tanjon'ny Ministera ny Fambolena sy ny Fiompiana hatrany ny fanatrarana ny "fahavitan-tena ara-tsakafo", ka miantoka ho amin'izany ny fampiroboroboana ny vokatra izay vokarin'ireo vondrona Eclosia ireo.

Комментарии •