Anosimasina Itaosy: TAFAJORO NY HASIM-PIHAVANANA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 8 ноя 2024
  • Notanterahana teny Anosimasina Itaosy ny 25 febroary 2023 teo ny Hasim-pihavanana. Tonga nanotrona izany ireo mpandala ny fomba Malagasy sy ireo sokajin’olona rehetra. Tonga nanotrona ity fotoana ity ny manampahefana isan-tsokajiny, ny olobe samihafa mpandala ny nentim-paharazana.
    Isan’ny nanotrona ity fotoana ity Ralitera , ry Ali Manakasy avy any Mahajanga , ry Manjaka, Maitre Feno … ary ireo mpitana fomba sy mpitsabo nentim-paharazana maro.
    “ Zava-dehibe eo amin’ny Malagasy ny Fihavanana ary tokony hotohizana hatrany fankamamiana izany” , hoy RALITERA raha nandray fitenenana.
    “Mila averina io Fihavanana Malagasy io satria efa tandindomin-doza. Mialohan’ny hidirako amin’ny finoana hafa, Kristiana na Silamo dia ny fombako ny maha Malagasy aloha no fantariko. Miantso ny rehetra aho andeha hiara-hamerina ny hasin’io fihavanana io”, hoy Ali Manakasy - Filohan’ny fiombonamben’ny manankazy eran-tany.
    “ Malagasy aloha ianao vao Kristiana, Malagasy aloha ianao vao silamo ary Malagasy aloha ianao vao mpitondra sns…andeha ho averintsika ny maha gasy antsika fa mitady ho very”, hoy Majakatokana.
    “Tanteraka teto ny fametrahana ny hasim-pivahavanana ary mbola hoentina any amin’ny faritra samihafa izy mba hanenika ny Nosy sy izao tontolo izao”,hoy kosa Maitre Feno.
    #hasim_pihavanana
    #anosimasina

Комментарии •