Tantara Malagasy - VOATAVO TSY MIFANDRAKA (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 18 сен 2024
  • VOATAVO TSY MIFANDRAKA
    Tantaran'i Radio Don Bosco
    Tantara indray miseho
    Tantara Malagasy
    Zanaka vavitokan'ny Reniny i Felana ary efa kamboty ray. Nianatra tao amina lycée iray tsy dia lavitra ny tanàny i Felana, nanana namana roa izy dia i Njaka kilasy famaranana sy i Rova première mitovy amin'i Felana ihany. Tsy mba nifankafoy fa niaraka teny foana izy telo mianadahy, nifanampy izy telo raha nisy lesona na fanazarana tsy hain'ny iray. Nisy fotoana i Njaka nandeha naka ny bokiny nindramin'i Felana, hitan'ny renin'i Felana izy tamin'io ary teo no nipoiran'ny fanirin'i Ramatoa Rasera hitivan'i Felana an'i Njaka izay tovolahy hendry sy tsara tarehy.
    Noteran'i Ramatoa Rasera tokoa i Felana mba hanao izay hiarahana amin'i Njaka. Nofitahin'i Rasera sy i Felana nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'ity farany i Njaka, nomamoiny ary mody niara-natory tamin'i Njaka i Felana ary dia nolazainy fa hoe bevohoka izy rehefa afaka roa volana. Voatery nanambady an'i Felana i Njaka, mbola afaka nanao bacc anefa i Njaka. Nalahelo i Rova rehefa naheno ny tranga nisy satria efa nitia mangina an'i Njaka ihany koa izy...
    Mpanoratra : Vetson'Iarilala
    Mpilalao : Le Mec, Tahina Nantenaina, Anjahariliva, Vanintsoa, Ony Mihajanirina
    Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
    Nanatontosa : Ony Mihajanirina
    #tantara
    #voatavotsymifandraka
    #sarymihetsika

Комментарии •