Na misamboaravoara aza ny fiainanao dia matokia fa eo anilanao mandrakariva Jesosy (Salamo 46.1-11)

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 8 янв 2025
  • Pasteur Razafiarison Emilien - Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
    AZA MATAHOTRA HIANAO
    1. Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny Tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
    2. Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho", hoy Jehovah.
    3. Aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
    4. Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
    5. Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho."
    6. Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona izay hatao tahaka ny ahitra ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, Izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany,
    7. Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra.
    8. Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.
    9. Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina."
    10. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Ianao,ary apetrakao amiko ny tananao.
    11. Ataoko eo anatrehako mandrakariva i Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
    12. Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azyka mamonjy azy.
    13. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
    14. Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo : Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.
    15. Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
    Ireo Boky sy Toko ary ny Andininy ahitana ireo VERSETS ireo ao @ Baiboly :
    (1) Isaia 41 : 10
    (2) Jeremia 1 : 8
    (3) Jeremia 1 : 17
    (4) Isaia 43 : 1
    (5) Asa 18 : 9 - 10
    (6) Isaia 51 : 12 - 13
    (7) II Tantara 20 : 15
    (8) I Tantara 28 : 20
    (9) Eksodosy 14 : 13 - 14
    (10) Salamo 139 : 5
    (11) Salamo 16 : 8
    (12) Salamo 34 : 7
    (13) Salamo 91 : 11
    (14) Matio 18 : 10
    (15) Eksodosy 23 : 28
    ****************************
    MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :
    1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR: / mesversetsbibliquespre...
    2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR : / mesespacesevangeliquesdr
    3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR : / mesvideosevangeliquesdr
    4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR : / tsaranytompoisanandrodr
    5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR / hoavyikristyvononavehi...
    CONTACT :
    1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39
    2. E- MAIL : doc.rivolala@gmail.com
    3. LINKED IN : / doctor-rivolala-andria...
    4. TWITTER : / docrivolala
    5. INSTAGRAM : / rivolalaandrianantoavina
    6. FACEBOOK : / docteurrivolala
    7. ASSOCIATION CALDEN : caldenmadagasca...
    JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)
    QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

Комментарии • 2