Ry namana isany, aza ho raisina ho fitiavana fitsarana na hoe miseo ho masina be ny fitenenana hoe mba tandremo ny fitondran-tena, henoy ireo raiamandreny mananatra antsika fa na ny ntaolo niteny hoe "Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa". Mavesatra sy mangidy anie ilay hoe tratran'ny aretina VIH/SIDA e. Ary tsy voatery io ihany fa na ny homamiadan'ny tranon-jaza nohon'ny fiarahana amina olona maro koa mbola izy. Mampalahelo fa na hatramin'ny tanora ao anatin'ny fikambanana atao hoe "kristianina" aza dia roboka amin'ny firaisana aloan'ny fanambadiana io. Tantara miverina foana io, maro ny generation nandalo teo fa mahaiza maka lesona. Mba tandremo ireto ilay fitondran-tena fa otran'ny hoe raha mbola tanora dia mafiloha sy tsy mihaino, rehefa voan'ny aretina dia lasa otran'ny hoe mandatsa raha hiteny. Ny Tompo anie hanoro lalana sy hanome fahazavana ho antsika.
Ry namana isany, aza ho raisina ho fitiavana fitsarana na hoe miseo ho masina be ny fitenenana hoe mba tandremo ny fitondran-tena, henoy ireo raiamandreny mananatra antsika fa na ny ntaolo niteny hoe "Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa". Mavesatra sy mangidy anie ilay hoe tratran'ny aretina VIH/SIDA e.
Ary tsy voatery io ihany fa na ny homamiadan'ny tranon-jaza nohon'ny fiarahana amina olona maro koa mbola izy. Mampalahelo fa na hatramin'ny tanora ao anatin'ny fikambanana atao hoe "kristianina" aza dia roboka amin'ny firaisana aloan'ny fanambadiana io. Tantara miverina foana io, maro ny generation nandalo teo fa mahaiza maka lesona.
Mba tandremo ireto ilay fitondran-tena fa otran'ny hoe raha mbola tanora dia mafiloha sy tsy mihaino, rehefa voan'ny aretina dia lasa otran'ny hoe mandatsa raha hiteny.
Ny Tompo anie hanoro lalana sy hanome fahazavana ho antsika.
Mankasitraka amin'ny anatra sy ny toro-hevitra, fotoana izao, tahin'ny Jesosy daholo (Amen).