Diloilo Fanosorana
Diloilo Fanosorana
  • Видео 430
  • Просмотров 69 138

Видео

Trano malaza misy Angatra ao à Nosy be hell ville. @dixlodixlo
Просмотров 887 часов назад
Trano malaza misy Angatra ao à Nosy be hell ville. @dixlodixlo
Firenena Voky fotoam-bavaka, sy Antsam-piderana indrindra. @dixlodixlo
Просмотров 169 часов назад
Firenena Voky fotoam-bavaka, sy Antsam-piderana indrindra. @dixlodixlo
Noelin'ny Fitia Ambohijatovo, ny hafatra. @dixlodixlo
Просмотров 3114 часов назад
Noelin'ny Fitia Ambohijatovo, ny hafatra. @dixlodixlo
fampinaran-diso, tsy maintsy tononina amin'ny fiteny hebreo ny anaran'i Mpamonjy. @dixlodixlo
Просмотров 1414 часов назад
fampinaran-diso, tsy maintsy tononina amin'ny fiteny hebreo ny anaran'i Mpamonjy. @dixlodixlo
Hoe Jiosy, na Israel de voavonjy. @dixlodixlo
Просмотров 1116 часов назад
Hoe Jiosy, na Israel de voavonjy. @dixlodixlo
KOHEN RIVOLALA, BATISA ASITRIKA @dixlodixlo
Просмотров 2719 часов назад
KOHEN RIVOLALA, BATISA ASITRIKA @dixlodixlo
Artist evanjelika politiciens, sy ny Aza manome fitoerana ny Devoly ‼️@dixlodixlo
Просмотров 2219 часов назад
Artist evanjelika politiciens, sy ny Aza manome fitoerana ny Devoly ‼️@dixlodixlo
lasa mampalahelo indrindra isika Malagasy, @dixlodixlo
Просмотров 8714 дней назад
lasa mampalahelo indrindra isika Malagasy, @dixlodixlo
Ilay 4x4 nomen'ny filoha an'i Pasteur ny fiangonana fpvm @dixlodixlo
Просмотров 5914 дней назад
Ilay 4x4 nomen'ny filoha an'i Pasteur ny fiangonana fpvm @dixlodixlo
izaho dia lehibe noho i Petera. @dixlodixlo
Просмотров 2221 день назад
izaho dia lehibe noho i Petera. @dixlodixlo
Miara-misakafo amin'ny Mpanota@dixlodixlo
Просмотров 2421 день назад
Miara-misakafo amin'ny Mpanota@dixlodixlo
fa maninona izahay no lazainareo Royal Chapel fa Devoly. @dixlodixlo
Просмотров 1828 дней назад
fa maninona izahay no lazainareo Royal Chapel fa Devoly. @dixlodixlo
Secret ny biby Maloto. @dixlodixlo
Просмотров 2328 дней назад
Secret ny biby Maloto. @dixlodixlo
Tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. @dixlodixlo
Просмотров 76Месяц назад
Tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. @dixlodixlo
Pasteur sy Tromba. @dixlodixlo
Просмотров 65Месяц назад
Pasteur sy Tromba. @dixlodixlo
Tsy mahatsiaro Samedi, fa mahatsiaro Sabata. @dixlodixlo
Просмотров 44Месяц назад
Tsy mahatsiaro Samedi, fa mahatsiaro Sabata. @dixlodixlo
Pire ratsy lavitra noho ilay voalohany, @dixlodixlo
Просмотров 124Месяц назад
Pire ratsy lavitra noho ilay voalohany, @dixlodixlo
Ianareo hoa aza de vonoin'ny olona lolo amin'ny titre, Bishop, Apôtres, sy... sns io. @dixlodixlo
Просмотров 83Месяц назад
Ianareo hoa aza de vonoin'ny olona lolo amin'ny titre, Bishop, Apôtres, sy... sns io. @dixlodixlo
Tsy izay tian'ny olona, tsy izay tianareo. @dixlodixlo
Просмотров 70Месяц назад
Tsy izay tian'ny olona, tsy izay tianareo. @dixlodixlo
Ny Vatana izay ho ampakarina. @dixlodixlo
Просмотров 18Месяц назад
Ny Vatana izay ho ampakarina. @dixlodixlo
Hafatra, fiombonan'ny eveka eto Madagasikara. @dixlodixlo
Просмотров 252Месяц назад
Hafatra, fiombonan'ny eveka eto Madagasikara. @dixlodixlo
Tsy maintsy entina amin'ireny ve ilay anarana Jesosy Mamonjy. @dixlodixlo
Просмотров 19Месяц назад
Tsy maintsy entina amin'ireny ve ilay anarana Jesosy Mamonjy. @dixlodixlo
14 novembre 2024, Jesosy Kristy Fitsaharana. @dixlodixlo
Просмотров 29Месяц назад
14 novembre 2024, Jesosy Kristy Fitsaharana. @dixlodixlo
(Sal 15,) NY toetry ny olona mahazo monina ao amin'Andriamanitra. @dixlodixlo
Просмотров 18Месяц назад
(Sal 15,) NY toetry ny olona mahazo monina ao amin'Andriamanitra. @dixlodixlo
Tena ratsy be io resaka Politika io, @dixlodixlo
Просмотров 56Месяц назад
Tena ratsy be io resaka Politika io, @dixlodixlo
12 novembre 2024, loha loholona sy manan-kaja ary rambo faux prophète ! @dixlodixlo
Просмотров 52Месяц назад
12 novembre 2024, loha loholona sy manan-kaja ary rambo faux prophète ! @dixlodixlo
tsipazan'ny devoly Chocolat! @dixlodixlo
Просмотров 26Месяц назад
tsipazan'ny devoly Chocolat! @dixlodixlo
Manàna FAHATSAPANA, @dixlodixlo
Просмотров 25Месяц назад
Manàna FAHATSAPANA, @dixlodixlo
Resaka SIDA eto Madagasikara. @dixlodixlo
Просмотров 15Месяц назад
Resaka SIDA eto Madagasikara. @dixlodixlo

Комментарии

  • @mraj2234
    @mraj2234 3 дня назад

    Indrisy fa raha efa isan'ny antsam-piderana, tomany, hikiaka sy tsinjaka bevata sns nisy teto madagasikara, efa ela isika no niala tamin'ny asan'ny maizina. Ny mampatonga antsika tsy mety mandroso sy mivoatra ara-panahy dia tsotra raha ny fahitako azy: lasa any amin'ny entim-po sy émotion ilay izy. Nahazo remarque somary nahasorena kely aho nolazain'ilay vehivavy izay hoe: mampatory hono ilay fotoana misy any amin'ny fiangonana misy ahy... Taty aoriana izany tsapako fa tena tsy mampiova inon'inona ilay mivavaka mampiasa émotion, anio aho mitomany, mandohalika, dia rahampitso miverina manao ny ataoko ihany... kolikoly, halatra, fanamparam-pahefana sy karazana tsy fahamarinana rehetra izao, vomaika mitombo...

  • @chantalramaroson6491
    @chantalramaroson6491 3 дня назад

    EFA ela mihitsy io réflexion io no tsy nahitako valiny, ankoatra ilay mibebaka Dia hitako hoe misy teknika tokony alalinina ao satria angamba tsy mitoetra Ilay dialogue entre Dieu et nous, tsy mifankaheno, alefako eny amin'ireto mpitatika ny famahana n'y olana

  • @LantoWEBER
    @LantoWEBER Месяц назад

    Tena ilaina ireny fa tsy mety ho tonga saina ny mpitondra amin'ny fahorin'ny vahoaka , fa manao be marenina izy ireo. Mampalahelo ny zava -mitraga😢😢

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo Месяц назад

    Ontsa ny fo. Jesosy Kristy anie hanasitrana ny fiangonana Jesosy Mamonjy (Amen) ❤

  • @CHARLESJACQUESRANAIVOSON
    @CHARLESJACQUESRANAIVOSON Месяц назад

    Kindin'amboa ity lelenty !

  • @mraj2234
    @mraj2234 Месяц назад

    Apokalipsy 3:16 "Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao", ny tiako ambara dia ny fiainantsika, indrindra fa isika kristianina io teny io. Contraste hita amin'ny fiainanatsika, fiderana manakoako, tomany, kikiaka, Jesosy foana ao amin'ny vava, fa rehefa andavanandro, fijangajangana, karazana fangalarana rehetra izao, toetra ratsy sns. Tokony mampiasa saina fa tsy atao mamparary fo. Tena raha misy tompony na sangany amin'ny resaka vice dia isika anisany

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo Месяц назад

      Indrisy eh, mizara eto foana isika, fiadanana.. (Amen)

  • @mraj2234
    @mraj2234 Месяц назад

    Ry namana isany, aza ho raisina ho fitiavana fitsarana na hoe miseo ho masina be ny fitenenana hoe mba tandremo ny fitondran-tena, henoy ireo raiamandreny mananatra antsika fa na ny ntaolo niteny hoe "Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa". Mavesatra sy mangidy anie ilay hoe tratran'ny aretina VIH/SIDA e. Ary tsy voatery io ihany fa na ny homamiadan'ny tranon-jaza nohon'ny fiarahana amina olona maro koa mbola izy. Mampalahelo fa na hatramin'ny tanora ao anatin'ny fikambanana atao hoe "kristianina" aza dia roboka amin'ny firaisana aloan'ny fanambadiana io. Tantara miverina foana io, maro ny generation nandalo teo fa mahaiza maka lesona. Mba tandremo ireto ilay fitondran-tena fa otran'ny hoe raha mbola tanora dia mafiloha sy tsy mihaino, rehefa voan'ny aretina dia lasa otran'ny hoe mandatsa raha hiteny. Ny Tompo anie hanoro lalana sy hanome fahazavana ho antsika.

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo Месяц назад

      Mankasitraka amin'ny anatra sy ny toro-hevitra, fotoana izao, tahin'ny Jesosy daholo (Amen).

  • @fandrsram8967
    @fandrsram8967 2 месяца назад

    Antikristy ary tsy fantatr ialah akory ny dikany Ela zao no devoly velona eo

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo Месяц назад

      ruclips.net/video/17csz-cV5mE/видео.htmlfeature=shared

  • @mraj2234
    @mraj2234 3 месяца назад

    Miarahaba rahalahy, Eo ihany ny resaka hoe fanaka malemy ny vehivavy fa tena manana fitaovam-piadiana afaka mamiopva ny "déstin" an'ny lehilahy na destin'ny olombelona mihintsy. Jerentsika fotsiny ny tantaran'i Adama sy Eva, Samsona sy Dalila, Abrahama sy Hagara, Jezabela, Heroda sy Herodiada... misy isaintsainana

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 3 месяца назад

      @@mraj2234 Fiadanana zoky, tena marina tanteraka, miteny ho amin'izany avokoa ny zava-misy rehetra, tokoa!

  • @mraj2234
    @mraj2234 4 месяца назад

    Miarahaba rahalahy, dia tena lasa saina aho, fipoahana ara-bola, fampitomboana harena. Aiza ho aiza izany ilay fiainana fanompoana nataon'i Jesoa ilay mahantra kely ? dia mbola misy mahasahy manamarina hoe afaka manompo mamona sy Andriamanitra va isika?

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 4 месяца назад

      Eny rahalahy Fiadanana, izany no antom-pizaran-tsika isan'andro isan'ora eto foana. Zarao ihany aloha hoy ny soratra Masina, na hihaino na tsia izy, Manaitra eto foana isika satria efa esprit mandravarava be any anaty fiangonana mihitsy izy io. Malheureusement.. (Shalom) zoky.

  • @mraj2234
    @mraj2234 4 месяца назад

    Miarahaba rahalahy, dia sanatria izay ve ilay hoe "Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika." ? satria mivavaka mba ahavita trano, mivavaka mba ahazo 4x4 sy iphone sns... Dia resy lahatra va ianao fa mibebaka ireo olona manaraka azy?

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 4 месяца назад

      Fiadanana frère, indrisy.... ❤

  • @mraj2234
    @mraj2234 4 месяца назад

    Miarahaba rahalahy, tsy hoe tsy misy pentina aho miteny fa, ny manelingelina ny saiko eny am-piangonana dia, ireo tanora, eny na olondehibe aza, manao tokantrano maso, firaisana alohan'ny mariazy nefa mafana fo amin'ny fiderana. Rehefa mahintsy fiteny i pasitera momban'ny fitondran-tena dia misy tafintohina, dia aleony miova fiangonana zandriny satria any izay tiany henoina no henony

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 4 месяца назад

      @@mraj2234 Fiadanana frère, ao anatiny tanteraka isika io, (2 Tim 4.3) Mangidihidy sofina ny olona, Fampianarana tsy misy kilema.. Mitady fampianarana, mpampianatra ho araka ny filàny.. Mahereza frère, (fiadanana)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 5 месяцев назад

    Miarahaba rahalahy, ny tapako amin'ny izao dia atao miasa be ny zavatra mampiasa ny fahafinanretan'ny maso sy ny fifalian'ny fo. Nefa efa voasoratra hoe "Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana", "Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo."

  • @trk9941
    @trk9941 5 месяцев назад

    mitenena ref hitory teny fa in no idirana lalina amin'ny fiainany tarika mage4 any , ataoko oe adala ianao d ho tezitra

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 5 месяцев назад

      @@trk9941 Mankasitraka betsaka tompoko amin'ny hevitrao, tsy miditra lalina amin'ny fiainany mage 4, fa mizara ny sitrapon'Andriamanitra, mba hitodihan'ny olona amin'ny lalam-pamonjena, izay fotsiny.. Mirary soa indrindra (Shalom).

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 5 месяцев назад

    facebook.com/share/v/T8c65i6i7mbjWXQH/?mibextid=oFDknk

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 5 месяцев назад

    Manonona ny tenim-piadanan'i Kristy Jesosy amin-tsika rehetra hatrany, tsara ny Tompo, Aleloia, Amen.

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 6 месяцев назад

    Faly hatrany manonona ny fiadanana amin-tsika rehetra, (Amen).

  • @mraj2234
    @mraj2234 6 месяцев назад

    Mivavaha sy miambena mafy fa manomboka manaparitaka ny virus'ny aty madagasikara io mouvement resaka couleur arc en ciel io satria ny zanakao no mety ho cibleny sy reseny lahatra hoe tsy lahy ianao fa vavy/vice versa/sady tsy lahy no vavy... sns. Ny influence @ télé moa tsy lazaina intsony

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 6 месяцев назад

      Tena marina frère, misy ambadika daholo ireny famatsiam-bola sy sy sns..ireny, Nisy fotoana efa nanakoako tao amin'ny assemblée Nationale, Alefany tsikelikely, zariny ny mason'ny fiaraha-monina, Ary amin'izao fotoana izao efa manomboka mitsabaka, any anaty tolérance ny génération, amin'ny angola-teny, Samia manao ny fiainany eh, Aza be tsikera sy... Sns, en même temps, omeny plaisir petit à petit, Sady maka toerana sy possession ao anatin'izay tolérance izay ny fanahy ratsy, Mi s'infiltrer partout, publicité, fanabeazana, karazana spectacle, sy... Sns be dia be, hatrany hatrany, Ny an-tsika baiboly hatrany, na eny na tsia, Tena mila mafy vavaka tokoa, mirary soa (Shalom).

  • @rivoraza9227
    @rivoraza9227 6 месяцев назад

    Misaotra indrindra ny @ fil aza a ny marina momba ny culte de personnalité. Mampalahelo, fa i Kristy izay Antony ny famonjena dia lasa accessoire.

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo Месяц назад

      Indrisy, efa presque izay daholo, lasa lalam-bola sy fikendrena tombo-tsoa manokana.. Sy... Sns!

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 6 месяцев назад

    🎉 Tsy hay hatrany tokoa ny hanonona ny fiadanana amin-tsika rehetra, amin'ny anarana Kristy Jesosy mazava ho azy, Shalom daholo tompoko (Amen).

  • @soafaraclarine3563
    @soafaraclarine3563 6 месяцев назад

    Shalom frere

  • @soafaraclarine3563
    @soafaraclarine3563 7 месяцев назад

    Shalom

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 7 месяцев назад

      Manonona foana ny fiadanany Kristy Jesosy amin-tsika rehetra tompoko, (Amen)

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 7 месяцев назад

    Ny esprit bibi dia, (Apok 13,) dia fiaraha-miasa ny fanjakana sy ireo faux, prophète Raha mahita vavaka fooa foouuua sy Pasteur, miara-miasa anaty propagande, avec ireo artist évangélique, corrompu isika de le esprit izay no miteny, I farao, sy ny mpimasy (faux prophète) Nebokadnezara, sy ny mpimasy (faux prophète) Ny fanjakana Romanina sy ny fariseo (faux prophète) De mbola izay foana ny kisary miverinberina, Ao anaty context tsara isika io, fanahin'ny bibi dia, fanjakana sy faux prophète, miara-miasa, eto à Madagasikara moa tena vokatra izay tsy izy ny faux prophète, moa le fanjakana koa tena ao anaty tanjany tsara, Farao, Nebokadnezara, Romanina, sy ny oh hafa selon la bible, Tsy misy zava-baovao ety ambonin'ny tany, fa ny taloha ihany no miverina (Shalom)

  • @mraj2234
    @mraj2234 7 месяцев назад

    Tsy vitan'ny hoe fampanantenana tsy tanteraka fa miampy resaka fivavahana sy finoana koa, miaraka amin'ilay fooo fooo dia milatsaka ny orana, hanamboatra temple de louange ngeza be sns... Rahaoviana no hisy ilay éveil de conscience an'ny malagasy?

  • @moniquelabelle5348
    @moniquelabelle5348 7 месяцев назад

    Ataovy @ teny Français ranoiray re vary amin'anana be le izy

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 7 месяцев назад

    Oui, ny nofo tena tia mi réclamé an'io miracles io, famantarana.. Ny antony nilaza n'i Jesosy hoe tsy misy.. Dia, Par rapport amin'ny Salut, Ny taranaka ratsy, fanahy, mpijangajanga dia tsy compatible amin'ny miracles fa... Manondro direction Jesosy, hoe famonjena.. Tsy misy afa-tsy izay. Ny salut (famonjena). Eo indrindra, ny fiainana miaraka amin'ny Kristy, dia (miracle) raha jerena amin'ny angle, ivelan'ny envelop, Fa tsy izay anefa ilay fiaraha-miasa (miaraka) amin'ny i Jesosy, fa tena fiainana, Oh, transfiguration, rano lasa divay, multiplication.. Sy... Sns, fa tellement, tsy ao amin'ny i Jesosy isika, selon ny plénitude de, mi réclamé an'io miracles io ny nofo, Dia izay tsy manana ny vokatry ny fanahy farany, dia latsaka ao anaty obsession, filàna _ >DE MAKA toerana amin'izay ny devoly, satria I Kristy tsy manome, afa-tsy, Salut ambony io. 3 andro sy 3 alina ihany, hazo fijaliana. (manondro) Ilay dihy sy hetsika, émotionnel moa... Efa effet cause ny nofo miteny daholo ireny, En même temps, efa mahazo faka koa ny esprit positivism, De le mpino mieritreritra fa asan'ny fanahy, kanefa emotion le izy... Conclusion anao farany io>>>amin'izay, Tsy misy fiovana, kely ny finoanao, En vérité, tena tsy misy fiovana, fa any anaty saina fotsiny hoe miova (izay le resaka positivism) De maty amin'ny fahotàny ihany izy, hatrany, hatrany.. Sarotra be, ety sady tery hoy ny baiboly... Mankasitraka rahalahy, (Shalom)

  • @mraj2234
    @mraj2234 7 месяцев назад

    Ahoana hoy ny Tompo tamin'ireo olona nangataka fahagagana? "Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany". Mat 12:39 Zavatra tsikaritro amin'ny ankapobeny, fiderana entina amin'ny fo, dihy, hetsika maherivaika, sono tsara be sns, kanefa tsy misy fiovana lalina entin'ny fibebahana. Kely ny finoako hoe tena hitondra fiovana.

  • @mraj2234
    @mraj2234 7 месяцев назад

    Fivavahana tokoa va no fototrin'ny fahantrana? - Raha haka cas any amerika isika, any feno megachurch, feno an'ireny fiangonana, mpiangaly ny atao hoe "evangile de la prosperité", feno pasteur/bishop sns izay manana villa, jet privé sns... fa mahantra ve ny Etats-Unis? - Raha ny fivavahana no mampahantra, tsy moa va ny fangalarana, kolikoly, fijangajangana sns ... no mampatonga ny fiaraha monina potika, feno kolikoly sy mahantra? - Raha lazainao fa feno hipocrytes any am-piangonana, ireo dokotera mitsabo anao va moa tsy misy mifoka sigara sy misotro toaka kanefa mbola mitsabo tena any ianao? Fehiny, ny mampahantra ny malagasy dia nohon'ny tsy fanaovany ny fahamarinana, ary tsy izay rehetra mivavaka sy manao Tompoko, tompoko no atao hoe Kristianina.

  • @mraj2234
    @mraj2234 8 месяцев назад

    Mampalahelo fa ireo karazana seminaire de miracles sy tour de fahagagana sns... etsy sy eroa, toa voamaika manentana ny olona hifikitra sy hankamamy kokoa ny fiainana eto an-tany. Tsy miteny aho hoe ataovy tsinontsinona ny fiainanao eto fa sanatria toa ny ambara ao amin'ny Baiboly hoe "Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika." 1 Kor 15:19. Raha ny fihetseham-po sy fitomaniana niraraka hatrizay no nampiova dia efa betsaka no niova. Satria nisy namana tovovavy nanasa aho hanatrika fiderana mafana sy tsinjaka bevata aho, fa ny fitondran-tenany nampametra-panontaniana aho be sy nanozongozona ny finoako satria izy no noraisiko hanampy ahy amin'ny ara-panahy. "Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina;" Jer 17:9. Tena loza ireto fa ialana tsiny fa mba niaina tamin'ny sehatrin'ny anjerin'ny manontolo fa nahita hoe: mifangaro tanteraka ny fiainana evangélique feno fihetseham-po sy fiainana amina fitondran-tena mampametra-panontaniana;

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 8 месяцев назад

      Efa famafazana esprit dahalo ny ankamaroan'ireny, seminars sy karazam-pivoriana etsy sy eroa ireny, Ny tena loza de efa misy fiomanana ambadika izy ireny, ny Mpitarika sy ny mpanentana rehetra araka ny efa nanolorany fanahy, dia manao pratique amin'ny fanfotoana fotsiny sisa ireo karazana secte hita etsy sy eroa rehetra ireo, indrisy.. Vitsy no mi comprendre an'izany!

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 8 месяцев назад

    Shalom!

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 8 месяцев назад

    Akory atao.. Mazava ny témoignage, sady documentaire, rehefa tsy relation amin'ny i Jesosy, fa zavatra hafa dia pratique mifototra ao amin'ny i satana daholo, mampita hafatra eto foana re isika e (Shalom).

  • @mraj2234
    @mraj2234 8 месяцев назад

    Fanontaniana mipetraka: izany va ilay fomban-drazana izay tsy hita izay maharatsy azy? Diabolisation ny fomban-drazana va no tsy hanaovana izany rehefa misafidy ho kristianina ianao? Tsy lazaina intsony ny resaka ody fitia sy ireo famosaviana mamotika ny fiainan-ny malagasy eto.

  • @HanitraAndriantsizafy
    @HanitraAndriantsizafy 9 месяцев назад

    Mankasitraka indrindra ranadahy , mazava tsara . ThJesosy ianao 🙏🏻❤🔥

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 8 месяцев назад

      Shalom, mirary soa hatrany tompoko!

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 9 месяцев назад

    Samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo.. Hoy ny baiboly (Shalom)!

  • @chantalramaroson6491
    @chantalramaroson6491 9 месяцев назад

    Mahaontsa tokoa 😢

  • @mraj2234
    @mraj2234 9 месяцев назад

    Misimisia toriteny otran'izao any amin'ny fiangonana rehetra. Amen

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 9 месяцев назад

      Amen, Amen Saingy indrisy fa very hoy izy ny fiheverana ny fifohazam-panahy, efa hitany tao anaty faminaniana angamba le izy frère, indrisy..indrisy, Tena mampalahelo be ny etat d'âme ny mpino ankehitriny, Shalom hatrany!!!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Arahaba rahalahy, fiadanana anie hoantsika rehetra. Raha artisten'izao tontolo izao moa dia problèmeny izany raha hoe mandokandoka azy ny mpanaraka azy na hiteniteny foana sy hanaonao foana izy fa ny olako dia misy artiste, malaza ho mpanambola, milaza manao asa soa etsy sy eroa, rehefa anniversaireny dia zarainy pizza ny olona hitany eny amin'ny arabe, tsipazany vola ny olona rehefa, sns, mafinaritra e, ... Izaho miteny ito moa inona no mba vitako? fa izao fotsiny, izy milaza fa hoe mino an Andriamanitra ihany, dia tsy maintsy mametraka ny fanontaniako aho hoe, sitrapon'Andriamanitra va ny mitady sitraka avy amin'ny olombelona rehefa manao asa soa? sitrak'Andriamanitra va ny mampirafy vady? efa hitam-poko hitam-pirenena hoe mampirafy dia mamerina ny fanao foana, satria be mpankafy sy manao asa "soa" dia mahatoky tena. Tsy haiko hoe ho aiza ity firenentsika ity raha karazan'olona mijangajanga, nefa sady mampiseho hoe mivavaka ihany no manao asa soa no be influence eto amin'ny ity firenena ity. Rehefa iza no mampirafy dia andeferana satria "manambola", dia rehefa iza no mampirafy dia mendrika saziana?

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Mankasitraka foana tokoa frère, im-piry moa Jesosy naniraka mpaminany tahaka ny Reny akoho te hamory ny zanany, fa de voatora-bato avokoa ireny, Ho aiza tokoa ity firenena ity, manaja Ahy (Jesosy) amin'ny molotra, Ilay filoha fooa, fooua, ny Mpitondra fivavahana, saim-bola daholo, ny fiaraha-monina influencer daholo, ho amin'ny tsy sitrany, Ao anatin'izay izay tsy manao mankasitraka be vata daholo, mpandokandoka jiaby, Tena hoe izao zava-misy iainana izao ve tsy tokony efa mba tonga Saina, tsy haiko..isika mitsoka trompette indray moa izao no very saina. Tena mampalahelo dia tena mampalahelo, fa de..soa fa ny hosotra avy aminy no atom-pizara-tsika Andriamanitra mampianatra sady mampitandrina an-tsika foana ihany koa, Tsara ny Tompo rahalahy ah, tena tsara fa rappel sady fanatenana ho an-tsika foana avokoa ny zavatra rehetra, satria manambara ao anatin'ireny Izy selon ny sitrapony, mirary soa hatrany.

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Na ny train de vie an'i Jesoa sy Paoly tamin'ny izany fotsiny aza dia mametra-panontaniana, moa va nentina kalesa mamirapiratra sy lafo vidy zareo rehefa hiditra fiangonana? Ianareo mpitondra fivavahana populaire ireo manana 4x4 firy? villa firy? manao voyage aiza isakin'ny misy vacances? manana sipa firy? rehefa miditra fiangonana dia toa an'ireny mpanjaka ireny? tsy vitan'ny izany fa mbola mi-menacer olona fa tsy ho voavonjy raha tsy mandrotsaka an'izao na izao? Izaho tsy miteny hoe tsy ilaina ny fiara sy ny vola, fivelomana ireny fa ilay fanompoana mamona tompoko, tena mamotika ny fiangonana sy ny mpino

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Voafehinao ilay message pub rahalahy, tena mampalahelo ny zava-misy, isika manao rappel foana ho voninahitr'Andriamanitra, sady mampatsiahy ny tena-tsika ihany koa, mankasitraka foana zoky (Shalom)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Isika fitaovana fotsiny, Soli Deo Gloria, tsy terena tohanana ara-bola ny asan'Andriamanitra fa vitany amin'ny fomba rehetra ny asany na tiantsika na tsy tiana. Sanatria fanohanana ambition personnel ana mpitarika fivavahana no atao. Ny tena asantsika va tsy ny famonjena izao tontolo izao fa tsy hoe andao hihary ara-bola?

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Voaraiko ny hafatra tompoko, mankasitraka betsaka indrindra (Shalom)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Misy ireo tanora lahy/vavy, na dia efa anarina, na dia efa nisy tratrin'ny vohoka tsy niriana ireo namany, dia mbola minia manao bevohoka, mitondra zaza tsy iriana. Misy koa ireo olona efa lehibe, antenaina hoe raiamandreny manana fahendrena, efa manana tokan-trano, efa manan-janaka lehibe fa dia nahita tovovavy, mpampy an-trano jejojejo, dia iny lasa nanary lamba, manangana tokantrano maso, miteraka zaza any an-kafa. Tsy vitan'ny izany fa ataony fahavalo ireo tena vady aman-janany raha tsy mankasitraka ilay vehivavy sy zanany tian'ny fony. Lasan'ny zareo daholo: na andry iankianana, ray mamelona, havana, vola, fananana, fitiavana,... Rehefa azon'ilay rangahy daholo izay irian'ny fony dia inona no ataony? manangana tanana any an-koatra any, mamelona, manao "soa" olona marobe, miova fiangonana fa manangana fiangonana vaovao... Ny tena vady aman-janany dia tena hoe, mitsipozipozy, fa na izany aza, tna nahavita soa be izy! betsaka ireo olona nampiany! Efa voavidiny ny helony. Ny positif ao amin'ny tantara dia lasa tena mpivavaka be zareo mianakavy satria efa miadana ara-bola sns... izay maloto fo nohon'ny fahaverezana ray andry iankianana no mila mamindra fo sisa.

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Henjana izany parabole nao izany frère, tena naveriko in3, lalina, tena lalina, mankasitraka amin'ny fampianarana zoky, voaraiko ny hafatra, Shalom an'i Avo indrindra. (Amen)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Inona sisa no tsy ampy ankoatran'ny fooooo fooo dia misava ny orana? tsy fanaovana batisa ny malagasy? Ifonana tompoko, fanairana ny saintsika fotsiny hoe: rehefa misy ny rivodoza dia tsy azo ialana ary tsy maintsy misy ny toerana tondra-drano fa ny olana, ireo toerana tsy tokony ho tratran'ny izany dia lasa tratra koa nohon'ny fanatotofana tany sy construction tsy manarapenitra...

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Voarainao ny hafatra (Amen)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Ka hitanao, efa voalaza ao amin'ny soratra Masina hoe : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." (Jao 14-12). Tena mahavita zavatra mihoatra ny vitan'ny Tompo ny bishop/reverend/apotre/episkopo...sns ireny a, na ny mpitondra antsika aza mahavita mitsoka rahona, foooo fooo dia misava ny lanitra. Ireny pasitera mitory teny fotsiny any am-piangonana ireny, tsy manao fahagagana fa vomainka mampatory, tsy tena izy ireny fa ialao.

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      De asa ré raha misy maharay izany message izany, isika ity ilaoza-tsika manenjika mpanompon'Andriamanitra ety amin'ny réseau fotsiny, Jesosy o, mamindra fo aminay

    • @mraj2234
      @mraj2234 10 месяцев назад

      @@dixlodixloDia miverina amin'ilay nolazaiko aho oe: mampatory na manafitohina ny maheno pasitera miteny hoe "manaova ny marina, ... aza mangalatra, aza mijangajanga sns". Aleo lavitra mihaino bishop miteny hoe "ahita fipoahana ara-bola ianareo" satria rehefa misy fipoahana ara-bola ny fiainanao dia lasa manana fiainana feno fiderana an'Andriamanitra ianao

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Tsy vitan'ny hoe miresaka momban'i Kristy isakin'ny mandray fitenenana, tena fahasahiana sy fijoroana vavolombelona ny hoe, aza jerena re izany laïcité de l'Etat izany. Izaho izao miandrandra an'ilay statue du Christ ngeza be hokasaina amboarina, otran'ny naheno koa hoe hisy projet an'izany temple de l'adoration/louange izany amboarina, misy lakroa ngezabe. Tena miandrandra an'izay izahay fa mila famonjena isika

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Aoka re marina, tsy adino ny vavaka fooa, fooua sy ny mpaminany Johana, brésilienne, amin'izay rehetra ataony tena hoe ny Fitiavana no lehibe indrindra, sambatra e, tena sambatra raha samy sambatra I Madagasikara 😜

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Raha ny fahafantarako azy dia ny St Valentin dia fety natao mba hanaronana ny fête des lupercales, fety nataon'ny romana fahiny, ao anatin'ny izany misy fiarahana mandry faobe sns... Tsy ara biblika satria, ny olona miaraka amin'i izany tsy voatery mpivady fa misy mpisipa, olona roa efa samy manana ny vadiny sns... feno ny chambre amin'io andro io, biblika va izany? Ny nanafintohina ahy dia nisy ranabavy kristianina noraisiko hoe hanampy ahy ara-pinoana fa ny zavata hitako dia voky versets bibliques alefany aho fa ny zavatra hitako sy fantatro tsinahy ataony: ahoana ny fitadiavana plaisir s...uel, miova sipa matetika... Mbola tsy mpivady tsy inona dia miaraka manao vacances, miara mandry... kepoka aho satria matoa ianao kristianina miara-mandry amina olona dia vadinao izy izay. kanefa miova olona iarahana lava. Ny kely mba fantatro dia voasoratra ao amin'ny: - 1 Kor 7:2 "Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. " - 1 Kor 7:9 "Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay."

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Mankasitraka foana amin'ny fifampizarana sy fananarana zoky sady namana ao amin'ny Jesosy, tena voky tokoa (Shalom) be vata, tahin'ny Tompo hatrany !!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Tena henjana ary efa nampoiziko ihany satria na mijery ny tantaran'ny olombelona aho dia misy zavatra otran'izany ihany, ohatra hoe, révolution frantsay nanongana, nanapaka ny lohan'ny mpanjaka sy ireo mpiara-dia aminy, avy eo indray ireo revolutioniste no mifamono, anisan'ny notapahina loha i Robespierre... tonga naka fahefana indray i Napoléon dia nametraka ny tenany tsy ho mpanjaka fa emperora mihintsy... Seconde guerre mondiale, raha ny tantara dia ny allemanina nazi no ratsy fanahy ao amin'ny tantara fa ny alliés sy ny rosiana ireo mpanavotra. Raha jerena nefa ny tantara dia alohan'ny nipoahan'ny ady lehibe faharoa dia nanao fifanarahana miafina i Hitler sy Staline hakana an-keriny an'i Pologne, nisy famonoana olona matsiravina tao, na nataon ireo nazi na nataon'ireo armée rouge (massacre de Katyn)... Otran'ny izay koa ny fiantombohan'ny communisme nanonganana ny Tsar Nicolas II satria hoe leo ny fanararaotana fahefana ny vahoaka sns; natao exil izy sy ny fianakaviany, nanaovana kisarisarina procès, novonoina ny fianakaviana iray manontolo, nandresy ny tolona dia nahazo pouvoir Staline dia hainareo ny tohiny... Fehiny: ny olombelona dia tia vola tafahoatra, voninahitra, fitiavana fahefana. Resaka mon corps c'est mon entreprise sy ny tariny indray, toa hoe ireo zanany dia samihafa ray,... kanefa rehefa olontsotra no manao izany dia toa hoe maharikoriko, tsy vanona sns...

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Henjana, henjana zoky ah, Voky fihatsaram-belatsihy ny olona, Mifikitra fihatsaram-blatsihy, Mankamamy, miaina, tena hoe mahazo Aina amin'ny alalan'izany, de pire en pire, tsy misy fiainana hibebaka, hiova ( miova amin'ny fanavaozana ny saina hoy ny baiboly) non..non, fa aleo mihatsara velatsihy eny foana aloha, henjana hoy aho, tena henjana eee (grave) Mamindra fo aminay Jesosy ah

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 10 месяцев назад

    Ny tena mampalahelo dia, ny fanaovana ny filazantsara atao fitadiavana buzz, laza.. Sy zavatra hoatran'ireny, Samy mahay daholo hoe, Andriamanitra tsy azo vazivazina, kanefa dia atao fahamenarana tsotra izay, fiderana na zavatra hafa.. Tena diso sahy loatra isika olombelona , Andeha ataoko hoe tsy fahalalana, mamindra fo aminay Jesosy ah, mifona aminao izahay, mamela ny helokay (Amen)!

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Tena mifona ry zareo fa raha vitan'ny hoe mitsinjaka sy mihetsi-po fotsiny no atao hoe manala devoly dia efa ela no firenena sambatra i madagasikara satria, isika afaka manokana fotoana be hanaofana dihy sy fihetsika fiderana fa, rehefa tonga ny ady sarotra na andavanandro dia inona no tena miaro antsika? tsy ny tenin'Andriamanitra va? tsy i Kristy tonga nofo? (Jao 1:14). Raha ny justification hoe, i Davida mpanjaka dia nitsinjaka rehefa nidera an'Andriamanitra, i Jesoa izay tena modelintsika, tsy nianatra ny tenin Andriamanitra no nataony fa tsy nitsinjaka?

  • @dixlodixlo
    @dixlodixlo 10 месяцев назад

    Mirary soa an-tsika rehetra hatrany ny pejy, fehiny.. Mpihatsara velatsihy daholo isika, du moment que mbola tsy mitafy an'i Kristy, voilà (Shalom)

  • @mraj2234
    @mraj2234 10 месяцев назад

    Ny zavatra contradictoire hitako ataon'ireny influenceur, otran'ny hoe mitady sitraka amin'ny abonnés ireny, dia manao fitafy sy fihetsika manaitaitra sy tena hoe tsy miolakolana fa miendrika misy hetsika manao firaisana ara-nofo. Mba jereo anie ny clip ataony sy ilay sipany Naej e, jereo @ fo tsy miangatra. Dia gaga ianao hoe izy indray no tezitra sy koriko nohon'ny fanolanana. Tena misy ifandraisana ny fanolanana sy ny fijerevana clip na film adulte. Misy ifandraisany ny fanjifana clip/film mamoafady sy ny hetsika tonga any amin'ny fanolanana, vazaha no nanao étude: www.researchgate.net/publication/288905229_A_Meta-Analysis_of_Pornography_Consumption_and_Actual_Acts_of_Sexual_Aggression_in_General_Population_Studies Mila hiteny aho hoe aok'izay ilay hypocrisie, ny tononin'ny vava en public, hafa fa ny atao koa nefa hafa

    • @dixlodixlo
      @dixlodixlo 10 месяцев назад

      Izay mihitsy, izay no maha influenceur azy, ilay esprit sahan'i Éden (menarana) Naka fanahy an'i Eva, influenceur paka fanahy, séducteur, ilay esprit an'i menarana mihitsy, Tsy gaga isika manana discernement, Mahafantatra tsara, hafa ny lazain'ny vavany, hafa ny ataony fiainana andavan'andro, de presque izay daholo, tena izay daholo mihitsy, Ainsi de suite, miara-miasa amin'ny mpanao politika amin'izay, ny mpanota disque sy.. Sns be dia be, satria mi servir dieu de mamona, hatrany.. Hatrany, ireo izay efa nivarotra fanahy, Indrisy fa mivelatra be ny sujet, tsy ampy ny fotoana (Shalom)