NY HATANORANA - Ny Ambasadôrà (Karaoké)
HTML-код
- Опубликовано: 9 фев 2025
- 💗NY HATANORANA - Ny Ambasadôrà💗 (Karaoké)
Andro soa sady kanto, izany hatanorana
Toy ny raozy vao maraina tsara famelana
Eo ny hatsaran-tarehy, endrika ny bika soa
'Zay mambabo fo tokoa, tena mamy
Eo koa no mitsiry ny fitia
Andro hafa tena hafa eo amin'ny fiainana
Ka iriny izany mba haharitra
Andron'ny korana
Androm-pifaliana
Handresena hakiviana
Hanovozan-kery
Hamakin'onja mahery
Antoky ny any aoriana
Maro be ny fitsapana, misedra ny hatanorana
Fandrika, fakam-panahy tsara famelatra
Ao ireo filibana, fisotroana filokana
Fitondran-tena tsy hendry mety hamarina
Ka handratra sy hampamoy fo
Toe-panahy sy fisainana madio
No mitondra hasambarana sy voninahitra
Toetra soa, tsara ho filamatra
Andron'ny korana
Androm-pifaliana
Handresena hakiviana
Hanovozan-kery
Hamakin'onja mahery
Antoky ny any aoriana
Andron'ny korana
Androm-pifaliana
Handresena hakiviana
Hanovozan-kery
Hamakin'onja mahery
Antoky ny any aoriana
🌷
#KaraokeAdventiste