NOHO IREO SOMBINAINA ROMULE 1968 MBOLA RABARIVOLA vidéo live

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 12 фев 2024
  • Feonkira : Daniel Guichard ("Je viens pas te parler d'amour")
    Tononkira: Rabarivola Romule
    Sary : FB Top Radio (18/11/2022)--
    Fandaharana "Kalo Miampita"
    miaraka amin'i Mbola
    Rabarivola,zanak'i Romule faharoa
    (Natolotr'i
    Rado Manalina sy Mbola Talenta)
    ============
    Tsy handrebireby anao
    Raha nivily ka namangy
    Amin’ny andro harivariva
    Manontany vaovao
    Sanatria tsy hisangisangy
    Na tonga koa hanivaiva
    Tsy hamboraka fitia
    Na hitantara koa ny amiko
    Fa mitandro fihavanana
    Isika moa nisara-dia
    Nefa maminao sy mamiko
    ’Reo zaza iaraha-mànana
    Efa ho herintaona mantsy
    No nisarahan-tsika toerana
    Noho ny antony efa fantatra
    Isika akory tsy olon-dratsy
    Na tsy nisy fiheverana
    Fa ny lahatra ankamantatra
    Fa nandalo dia nahita
    Ny efitranonao nivoha
    Mbola misy hazavana
    Ela tsy nifankahita
    Sanatria tsy hilanja loha
    Fa mitondra fiarahabana
    Ny momba ireo zanantsika
    ’Zay mipetraka aminao
    Moa ve, moa ve salama tsara ?
    Satria moa ny amintsika
    Dia efa fantatro sy ianao
    Fa nivalona ho tantara
    Henoko fa toa hoe
    Manahirana indraindray
    Amin’ny hantahantakeliny
    Nefa atao ahoana re !
    Fa mahaiza manafay
    Hahazoany ny tanteliny
    Fantatro fa tianao loatra
    Izy telo mianadahy
    Ka tsy sahinao tenenina
    Amin’ny ditra tafahoatra
    Nefa mba lazao ahy
    Sao mba misy ny ala-nenina
    ’Lay sekoly vaovao
    ’Zay vao namindranao azy
    Moa ve mba arany ihany ?
    Satria mantsy fantatrao
    Io tsy atao vazivazy
    Fa antoky ny hiafarany
    Raha ny fiainanao indray
    Aza tantarainao ahy
    F’efa hita izao fa tsara
    Ny ahy koa dia tahak’izay
    Tsy dia misy mampanahy
    Fa dia mizotra soa aman-tsara
    ’Lay mpampianatra ny ankizy
    Efa notiavinao
    Dia efa fantatro ny aminy
    Tia anao tanteraka izy
    Ka aza ataonao kilalao
    Ny fanasoavanao ny akaniny
    Tsy ho lava resaka aho
    Fa izay no anton-dia
    Ny andro koa,
    ny andro ity mandroso ho alina
    Raha misy aizina mitraho
    Mahaiza re mifankatia
    Ary aoka hisaina lalina
    Tsy nandrebireby anao
    Raha nivily ka namangy
    Fa nadio ny fo sy saina
    Nanontany vaovao
    Ary tsy tafandry mandry
    "NOHO IREO SOMBINAINA"

Комментарии •