NOESORINA IREO MIARAMILA MIAMBINA NY ANTENIMIERANDOHOLONA

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 7 фев 2025
  • Niparitaka tao amin’ny tambanjotra “Facebook” omaly ilay taratasy “secret confidential” fiantsoana ireo miaramila miasa ao amin’ny antenimierandoholona hiverina eny an-toby miaraka amin’ireo fitaovam-piadiana. Hoan’i Rivo Rakotovao filohan’ny antenimieran-doholona dia misy ambadika izao zavatra izao ary milaza izy fa tsy fanarahan-dalàna tsotra izao ny zava-misy.
    Nanazava kosa nefa ny ministry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly Leon Richard Rakotonirina fa fisafoana efa fanao mahazatra izao zavatra izao.
    Nilaza ihany koa ny jeneraly Richard Ravalomanana sekreteram-panjakana eo anivoan’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarmaria fa ny famoahana taratasy mitomboka “secret confidentiel” no tsy fanarahan-dalàna.

Комментарии • 2