Ataovy ny Fomba, Hajao ny Fady raha tsy te-ho Tra-doza.
HTML-код
- Опубликовано: 1 фев 2025
- Masina madagasikara, ary mila manaja ny fahamasinan’ny tanindrazana ny rehetra raha te-ho velona eo aminy. Nanana ny fomba nanakanana ireo loza miforona an-dranomasina tsy hiakatra an-tanety hanimba ny fiainan’ny tsirairay ireo mpitahiry ny hasina sy ny fomba amam-panao, fahizay. Ireny fomba ireny no tokony haverina raha tsy tiana hihatra amin’ny tena ny fahavoazana na vaninandro inona na fizaran-taona inona. Hajaina manaraka izay ihany koa ny fady izay zary tsinontsiniavina ankehitriny vokatry ny fandraisana finoana vahiny ka nanambaniana ny fomba amam-panao Gasy. Noho izany tokoa, hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’Imerina Ambohimanga Ny Andriana Robert Randrianantoandro, no tsy mampanjarizary ny fiainana amin’izao fotoana sy maha-be ny loza mitranga etsy sy eroa ary mampirongatra ny habibiana. Manafatra ny tokony atao sy hajaina ary tandremana araka izany ity Ray aman-dReny ara-dRazana ity.