JESOSY Ô VONJEO - Hanitr'i Kristy - (Lyrics)
HTML-код
- Опубликовано: 3 фев 2025
- 🎵JESOSY Ô VONJEO🎵 (Lyrics)
'Zaho Jesosy mba maniry
Ny hanao ny sitrakao
Efa ela no nikiry,
Tsy nahomby hatramin'izao
Raha anio mandre ny antsonao
Dia torotoro fo
Toa hiova ho olom-baovao
Tapa-kevitra hifoha.
Nefa izany tsy maharitra
Tsy mba mety ho lasa lavitra
Rahampitso dia injay
Ny omaliko no miverina indray
'Zaho Jesosy mba tantano
O! Arovy sy tohano
Miangavy, mitoreo
Jesosy o! vonjeo,
'Ty zandrinao vonjeo.
Toriteny maro no efa re,
Be ny anatra voaray
Fa ny hampihatra ireny anie
Dia toa sarotra tsy hay.
Vao mandroso indray mandingana
Hoe hanaraka Anao,
Dia indro fa voafingana,
Potraka sy lavo aho.
Tsy azo antoka ny hoaviko,
Tsisy antenaina ny amiko,
Raha tsy tantananao
Dia inoako fa tsy ho tafita aho.
Aza avela handeha irery,
O! ampio fa kely hery.
Miangavy, mitoreo
Jesosy o! vonjeo,
'Ty zandrinao vonjeo!
Jesosy o! vonjeo,
'Ty zandrinao vonjeo,
Jesosy o! vonjeo,
'Ty zandrinao vonjeo.
🌈
A/C : Bruno Andrianaivo
©Hanitr'i Kristy Ampefy
#LyricsbyKalo