FFPM 158 - Raha afaka entana aho aty
HTML-код
- Опубликовано: 31 янв 2025
- "Raha afaka entana aho aty" - Hira FFPM 158
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 158 - Raha afaka entana aho aty
1. Raha afaka entana aho aty
Ka tody any an-danitra ary
Ny hanakaiky Ilay Tompo tia
No hifaliako mandrakizay
Fiv : Satriko re ny hanome
Saotra tokoa eran’ny fo
An’Ilay maty fa velona indray
Hatrehiko ao anilan’ny Ray
2. ‘Ndrey ny haren’izao antrany izao
Izay handovako ilay tany vaovao !
Fa ny hahita ny tavany ao
No hiadanako mandrakizay
Satriko re, sns…
3. Hava-malala hihaonako ao,
Hobin-tra-bonjy hiaraha-manao
Mamy indrindra anefa izao ;
Kristy hatrehiko mandrakizay
Satriko re, sns…
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar